Iràna
جمهوری اسلامی ايران ((fa)) | |||||
Jomhuriye Eslāmiye Irān fa | |||||
Repoblika Islamikan'i Iran ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Esteghlāl, Āzādi, Jomhuri-e Eslāmi («Fahaleovan-tena, Fahafahana, Repoblika Islamika») | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | persana | ||||
Renivohitra | Teheran 35°40′29″N 51°25′20″E / 35.67472°N 51.42222°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Teheran | ||||
Fitondrana sy governemanta - Rahbar - Filoha |
Repoblika Islamika Ali Khamenei Mahmoud Ahmadinejad | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 16 1 648 195 km² 0,7 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2011) - hakitroka |
faha 17 77 891 220 mpo. 40 mpo./km² | ||||
Anaran'ny mponina | Iranianina | ||||
IDH (2007) | (mitombo) 0,782 (antonony) faha-88 | ||||
Sandam-bola | Rial iranianina (IRR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +3:30 | ||||
Hiram-pirenena | Ey Iran (de facto), Soroud-e Melli-e Jomhouri-e Eslami-e Iran (ofisialy), | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+98
|
I Iràna (amin'ny fiteny persana: ایران [ʔiˈɾɒn]) na Repoblika Islamikan'i Iràna (amin'ny fiteny persana: جمهوری اسلامی ایران / Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān) dia firenena ao Azia Andrefana. Ny anarana nohagasina hoe Iràna dia avy amin'ny fiteny persana izay midika hoe "Tanin'ny Arianina", ary efa nampiasain'ny foko persiana hatry ny taona taloha, tamin'ny fotoan'ny Sasanida.
I Iràna dia firenena faha-18 mivelatra indrindra (velarantany: 1,468 tapitrisa km2); ny isan'ny mponiny dia 75 tapitrisa. Any avaratra, ny firenena manodidina azy dia Armenia, Azerbaijàna, Torkmenistàna; any atsimo dia misy ny Helodrano Persika; any andrefana, ireo firenena manodidina azy dia Iràka, Torkia; any atsinanana dia voadidin'i Pakistàna ary Afganistàna ilay firenena. Ny renivohiny dia i Teheran; ny anaran'ny sandam-bola dia Rial; ny kalandrie ofisialy dia ny kalandrie persana ary ny teny ofisialy dia ny fiteny persana.
Ny fiantsoan'ny tandrefana an'i Iràna dia Persia nanomboka tamin'ny Andro Taloha hatramin'ny taona 1935. I Reza Shah no nanova azy ho Iràna tamin'io taona io amin'ny alalan'ny fangatahana ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an'ilay firenena hoe "Iràna".
JeografiaHanova
Fizarana ara-paritanyHanova
Ao Iràna dia ahitana faritany miisa 31.
Toe-karenaHanova
Iran dia firenena mamokatra solintany ary firenena mpikambana amin'ny Fikambanan'ny Firenena Mamokatra Solitany (fr.: OPEP). Araky ny orinasa BP, i Iràna no firenena mamokatra solitany be indrindra ao amin'ilay fikambanana[1]. Ary lazaina fa i Iràna no tany be etona natoraly indrindra[2]
Rohy ivelanyHanova
TsiahyHanova
|