I Samarkand dia tanàna any Ozbekistàna afovoany, renivohitry ny faritra, ao amin' ny lohasah’ i Zeravchan. Ny tanàna dia mamokatra dite, divay, lamba, zezika ary kojakoja ho an’ ny fiara. Ny tanàna taloha dia misy lova avy amin' ny zavakanto silamo: ny môskea Bibi Khanum, ny maozôlean' i Tamerlan (taonjato faha-15). Taloha dia nantsoina hoe Maracanda i Samarkand renivohitry ny faritanin' i Sogdiana, faritany persiana fahiny. Resin’i Aleksandra Lehibe izy io tamin’ ny taona 329 tal. J.K., avy eo lasan’ ny Arabo tamin’ ny taona 712; lasa foiben' ny kolontsaina silamo izy avy eo.

Tamin' ny taona 1220 dia saika noravan' i Genghis Khan tanteraka i Samarkand, saingy niverina ny famirapiratany manontolo teo ambany fitarihan' i Tamerlan izay, tamin' ny taona 1369, nanao azy ho renivohitry ny fanjakany. Azon’ ny Ozbeka izy tamin’ ny taona 1500. Lasa teo ambany fifehezan’ ny Emiratan' i Bukhara izy avy eo (1784), ary teo ambany fahefan’ ny Rosiana. Tamin' ny taona 1924 hatramin' ny 1930 i Samarkand dia renivohitry ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' ny Ozbeka.