Fiteny tiorkmena
Ny fiteny tiorkmena dia fiteny tiorkika ampiasain'ny Tiorkmena any Azia Afovoany, indrindra any Tiorkmenistàna sy any Iràna ary any Afganistàna. Misy mpiteny teratany 5 tapitrisa eo ho eo io fiteny io ao Tiorkmenistàna, ny 719 000 fanampiny dia monina any avaratra-atsinanana amin'i Iràna, 1,5 tapitrisa ny any avaratra-andrefana amin'i Afganistàna ary 155 000 ny any Pakistàna. Indraindray izy dia atao hoe fiteny tiorkika tiorkmena na fiteny tiorka tiorkmena.

Nosoratana tamin'ny abidy arabo nasiam-panamboarana ny fiteny tiorkmena, avy eo tamin'ny abidy latina hatramin'ny taona 1940. Noteren'ny fanjakana sôvietika ny famoronana karazana abidy sirilika hanoratana ny fiteny tiorkmena. Nanomboka tamin'ny 1 Janoary 1997, ny abidy ôfisialy ampiasaina dia abidy latina misy mari-tsoratra vitsivitsy, manakaiky ny an'ny fiteny tiorka.
Amin'ny fiteny tiorkmena io fiteny io dia atao hoe türkmençe, түркменче, تۆرکمنچه na türkmen dili, түркмен дили, تۆرکمن ديلی.
Manana sata ôfisialy ao Tiorkmenistàna ny fiteny tiorkmena, saingy tsy manana sata ôfisialy any Iràna sy Afganistàna ary any Pakistàna, izay misy fianakaviambe tiorkmena lehibe. Ny fiteny tiorkmena dia tenenina koa ao amin'ny fianakaviambe tiorkmena ao Ozbekistàna sy ao Tajikistàna ary amin'ny fianakaviambe am-pielezana, indrindra any Tiorkia sy any Rosia.
Fiteny iray ao amin'ny sampana ôgozy (na ôgoza) amin'ny fiteny tiorkika ny fiteny tiorkmena. Ny endrika manara-penitry ny fiteny tiorkmena (tenenina ao Tiorkmenistàna) dia mifototra amin'ny tenim-paritry ny foko Teke (Teke), raha ny fiteny tiorkmena iraniana kosa mampiasa ny ankamaroan'ny tenim-paritry ny foko Iômoda (Yomud), ary ny fiteny tiorkmena afgana dia mampiasa karazany ao amin'ny foko Esrary (Ersary). Mifandray akaiky amin'ny fiteny azerbaijany (na azery) sy ny fiteny tatara krimeana sy ny fiteny gagaoza sy ny fiteny kaskay ary ny fiteny tiorka ny fiteny tiorkmena, ny mpiteny azy ireo tsirairay dia afaka mifankahazo fiteny amin'ny ampahany be na kely.
Na izany aza, ny akaiky indrindra ny fiteny tiorkmena dia heverina ho ny fiteny tiorkika kôrasany (khorasani), izay ampiasaina any amin'ny faritra avaratra-atsinanana amin'i Iràna ary samy ao amin'ny sampana atsinanana amin'ny fiteny ôgoza, ary koa ny fiteny kôrazmy (khorazm) izay fitenim-paritra ao amin'ny fiteny ozbeka, ampiasaina indrindra ao amin'ny faritra Khorezm manaraka ny sisintanin'i Tiorkmenistàna.
Any amin'ny toerana hafa any Iràna, ny fiteny tiorkmena dia laharana faharoa aorian'ny fiteny azerbaijany (na azery) raha ny isan'ny mpiteny ny fiteny tiorkika ao Iràna no heverina.
Ny Tiorkmena irakiana sy ny Tiorkmena siriana dia miteny amin'ny fitenim-paritra izay mampitohy ny fiteny tiorka sy ny fiteny azerbaijany, amin'ireo tranga roa ireo dia misy fiantraikany ny fiteny arabo. Ireo karazany ireo dia tsy isaina ho fiteny tiorkmena ato amin'ity lahatsoratra ity.
Ny fiteny tiorkmena, tsy tahaka ny fiteny hafa ao amin'ny sampana ôgoza, dia nitahiry ny ankamaroan'ny endri-javatra miavaka sy tranainy amin'ny fiteny ampiasain'ny Tiorka Ôgoza tany am-boalohany, anisan'izany ny halavan'ny zanapeo.
Jereo koa
hanova- Vahoaka tiorkika sasany: Azery - Baskira - Gagaoza - Iakoty - Kaskay - Kazàka - Kirgizy - Oigoro - Ozbeka - Tatara - Tiorka - tiorkmena - Tovàna - Tsovasa
- Fiteny tiorkika sasany: fiteny afsara - fiteny argo - fiteny azery - fiteny baskira - fiteny gagaoza - fiteny iakoty - fiteny kaskay - fiteny kazàka - fiteny kiptsaka - fiteny kirgizy - fiteny ôgora - fiteny ôgoza - fiteny oigoro - fiteny ozbeka - fiteny tatara - fiteny tatara krimeana - fiteny tatara siberiana - fiteny tiorka - fiteny tiorkmena - fiteny tovàna - fiteny tsovasa