Pyidaungzu Myanma Naingngandaw {{{1}}}
ပြည်ထောင်စုမြန်မာနိုင်ငံတော်‌ my
Pyidaungzu Myanma Naingngandaw my
Vondron'i Myanmara ((mg))
sainan'i Myanmara Fanevan'i Myanmara
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Ao amin'ny fiainana mirindra sy ny fifampifihezana ny hasambarana
Teny ofisialy burma
Renivohitra Naypyidaw
19°45′N, 96°6′E
Tanàna ngeza indrindra Rangoon
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Praiministra
fangejana ara-pitondrana
Than Shwe
Thein Sein
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 39
678 500 km²
20 760 km² (3,06 %)
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 24
47 758 180 mpo.
69 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Birmana
IDH (2008) Mihakatra 0,583 (moyen) faha 132
Sandam-bola Kyat (MKK)
Faritr'ora UTC +6h30
Hiram-pirenena Gba Majay Bma
(ho tianay ny Birmania)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+95

I Mianmara, na Vondron' i Mianmara, na Birmania, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana mizara sisintany amin' i India, ny Bangladesa, i Laôsy, i Sina ary i Tailandy. Voafaritry ny Ranomasina Andamàna sy Hoalan' i Bengaly izy any atsimo sy any atsimo-andrefana, ny totalin' ny halavan' ny morontsirany dia misy 2 000 km eo ho eo, ao amin’ ny Hoalan' i Bengale.

Yangon - Shwedagon pagode

I Birmania dia fiombonam-panjakana miisa fito izay onenan’ ny vahoaka tsy Birmana sy fizaram-paritra onenan’ ny Birmana, ka anisan’ izany i Rangoun renivohitra. Ny faritra amorontsiraka dia atao hoe Birmania Ambany fa ny faritra anaty tany kosa dia atao hoe Birmania Ambony. Manana endrika lavalava ilay firenena. Ny vohon-taniny dia ahitana lempona lehuibe eo afovoany, hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra. Rakotra ala ny 55 % mahery amin’ ny tanin’ i Mianmara.

Ny Birmana dia 80 %n’ ny mponina ao amin’ io firenena io, izay ahitana koa vahoaka vitsy anisa maro, sy Sinoa ary Indiana sy safiotra anarivony.

Mihoatra ny 85 %n’ ny mponina any Mianmara dia manaraka ny fivavahana bodista. Anarivony maro, noho izany, ny pagôda miorina any.

Firenena manompana ny teokareny amin’ ny fambolena i Mianmara: anisan’ ireo firenena mpamokatra vary be indrindra maneran-tany izy. Anisan’ ny loharanon-karena koa ny ala, inderindra ireo karazan-kazo fakana fingotra. Ny taozava-baventy, izay nandroso dia nandroso tokoa tamin’ ireo taona 1960-1970 dia miompana indrindra amin’ ny fanodinana ireo vokatry ny fambolena sy ny hazo ary koa ny famokarana lamba sy ny simenitra ary ny fanadiovana ny solitany.

Jereo koa hanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

 
Abeddel n Birmanya

Rohy ivelany hanova