Liga arabo
Ny Liga Arabo na ny Ligan' ny Firenena Arabo dia fikambanam-pirenena arabo izay ao Afrika Avaratra sy ao amin' ny Tandrok' i Afrika ary ao Azia Atsimo-Atsinanana. Noforonina tao Kahira (renivohitr' i Ejipta) tamin' ny 22 Martsa 1945 izy io, ary ireo firenena mpikambana voalohany dia ny Fanjakan' i Ejipta, ny Fanjakan' i Iràka, i Jordania, i Lebanona, i Arabia Saodita ary i Siria. Niditra ho firenena mpikamana i Iemena tamin' ny 5 Mey 1945. 22 no isan' ny firenena mpikambana amin' izao fotoana izao, na dia nahantona ny fandraisana anjaran' i Siria tao amin' ilay fikambanana noho ny fangejana nataon' ny governemanta izay niteraka ady an-trano mbola tsy voavaha olana.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/2b/Flag_of_the_Arab_League.svg/240px-Flag_of_the_Arab_League.svg.png)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/73/Arab_League_%28orthographic_projection%29_updated.svg/300px-Arab_League_%28orthographic_projection%29_updated.svg.png)