I Bukhara dia tanànana any Ozbekistàna, renivohitry ny Faritra Bukhara, any amin' ny lohasahan’ i Zeravchan. Ao amin' ny faritra mamokatra etona voajanahary sy landihazo ary landy no misy an' i Bukhara. Ny taozavabaventy dia mifantoka amin' ny fanamboaran-damba sy karipetra ary fitafiana, ny fanodinana ny volon' ondry Astrakhan.

Ny Môskea Po-i-Kalân an' i Bukhara ao Ozbekistàna

I Bukhara dia tanàna lehibe misy ny zavakanto silamo, izay manana trano sy tsangambato lehibe maro, ny sasany naorina tamin' ny taonjato faha-9. Misy môskea maromaro ny ao ary hita a koa ny Tranoben' ny Ark (taonjato faha-16), fonenan' ny emira hatramin' ny taona 1920 ary misy tranombakoka ankehitriny, ny Maozôlen' ny Samanida (taonjato faha-9-10). Ny tanàna dia ahitana medersa (sekolin' ny Kor'any) maro.

Niorina tamin' ny taonjato voalohany i Bukhara izay efa foibe ara-barotra sy ara-kolontsaina lehibe fony nalain' ny Arabo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-8. Tanàna manan-danja amin' ny fanabeazana silamo teo ambany fitondran' ny Arabo sy ny tarana-mpanjaka persiana Samanida, izay nitondra ny tanàna tamin' ny taonjato faha-9 sy faha-10.

Nampiasain' i Genghis Khan tamin' ny taona 1220 i Bukhara, tamin' ny taonjato faha-16 hatramin' ny taonjato faha-20, renivohitry ny kanata (khanat) iray, naorin' ny Ozbeka, izay teo ambany fahefan' i Rosia tamin' ny taona 1866. Rava ny kanatan' i Bukhara tamin' ny taona 1920 ary ny lasa renivohitry ny Repoblika Entim-Bahoaka Sôvietikan' i Bukhara ilay tanàna. Tamin' ny taona 1924 hatramin' ny 1991 dia tao amin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Ozbekistàna i Bukhara.