I Bareina dia firenena ao Atsinanana Akaiky, ao amin’ ny Hoala Persika, any Azia. Ny renivohiny dia i Manama izay sady tanàna lehibe indrindra ao koa. Mirefy 765,3 km2 ny velarany, ary niisa 1 501 635 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2021. Ny faritr' ora dia +3. Atao hoe Bareiniana ny vahoaka ao.

Sainan' i Bareina
Saritanin' i Bareina
Sarin-tanin' i Bareina

I Bareina dia foronina tangoro-nosy ahitana nosy miisa 33; manodidina ny folo amin' ireo nosy ireo no tsy misy mponina. Ny nosy lehibe indrindra, izay antsoina hoe Bareina (Bahrein), dia mifampitohy amin' i Arabia Saodita amin' ny alalan' ny tetezana-fefiloha (atao hoe "Tetezan' ny Fihavanana"). Maina ny toetany any: eo amin’ ny 25 °C eo ny sala-maripana isan-taona, nefa mety mihoatra ny 45 °C izany.

Firenena kely velarana i Bareina ka izy no firenena arabo makitroka mponina indrindra (mihoatra ny 1 000/km² ny mponina). Ny Arabo no maro anisa ao nefa ahitana mpitady ravinahitra maro koa ao (40 %n' ny mponina) avy any amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana sy avy any Azia Atsinanana ny ankabetsahan' izy ireo. Mozilmana ny ankamaran’ ny mponina any Bareina. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy any.

Ny solitany sy ny etona voajanahary no tena miatoka ny toekaren' i Bareina. Maro ny banky miorina ao amin' io firenena io. Ambony dia ambony ny fari-piainan' ny mponina any Bareina.

Fanjakana mahaleo tena niala avy tamin' i Fanjakana Mitambatra (Britanika) i Bareina nanomboka tamin' ny taona 1971. Atao hoe emira ny mpitondra ilay firenena, ka izany no iatsoana azy hoe "emirata".

Jereo koa

hanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.