Faritanin' i Ilam
Ny Faritanin' i Ilam dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna. Any amin' ny tapany atsimo-andrefan' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny sisin-tanin' i Iràka. Ny renivohiny dia ny tanànan' i Ilam. Ny velarany dia 20 133 km2.
Ny tanànan-dehibe ao amin' ilay faritany dia: i Ilam, i Mehran, i Dehloran, i Dareh Shahr, i Shirvan Va Chardavol, i Arakvaz, i Malek Shahi, i Aivan ary i Abdanan. Ity faritany ity dia voahodidin' i Khuzestan any atsimo, i Lorestan any atsinanana, ny Faritanin' i Kermanshah any avaratra ary i Iràka any andrefana izay manana sisintany iraisana 425 kme. Ny isa-mponiny dia 545 000 eo ho eo (tombana tamin' ny taona 2005).
Jereo koa
hanova- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan