Revôlisiôna Fotsy

Ny Revôlisiônan' ny Mpanjaka sy ny Vahoaka na Revôlisiônan' ny Mpanjaka sy ny Firenena, izay nalaza tamin' ny anarana hoe "Revôlisiôna Fotsy", dia andiana fanavaozana goavana tao Iràna, natomboka tamin' ny taona 1963 nataon' i Mohammad Reza Pahlavi, izay shah faran' i Iràna, ary nampiharin' ny praiminisitra nifandimby Ali Amini, Asadollah Alam, Hassan Ali Mansour ary Amir Abbas Hoveida. Ny anaran' ilay fandaharan' asa dia avy amin' ny tetikasa misy lohahevitra 6 novolavolain' i Ali Amini ary natolotra ny Kôngresim-Pirenen' ny tantsahan' i Iràna tamin' ny 11 Janoary 1963, ary nankatoavin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 26 Janoary 1963.

i Mohammad Reza Pahlavi

Atao hoe انقلاب شاه و مردم / Enghelab-e Shah va Mardom ("Revôlisiônan' ny Mpanjaka sy ny Vahoaka") na انقلاب شاه و ملت / Enghelab-e Shah va Mellat ("Revôlisiônan' ny Mpanjaka sy ny Firenena"), na انقلاب سفید / Enghelab-e Sefid ("Revôlisiôna Fotsy") io revôlisiôna io amin' ny teny persana.

Tian' ilay shah ho fanavaozana tsy misy herisetra ho an' ny fiarahamonina iraniana amin' ny alalan' ny fanavaozana ara-toekarena sy ara-tsôsialy ireo fanavaozana ireo, miaraka amin' ny tanjona maharitra hanova an' i Iràna ho firenena matanjaka ara-toekarena sy indostrialy manerantany. Nampiditra foto-kevitra ara-toekarena vaovao ilay shah, ka isan' izany ny fitsinjarana ny tombom-barotra amin' ny mpiasa, sady nanomboka tetikasa momba ny taozavabaventy mavesatra vatsian' ny governemanta vola, ary koa ny fanaovana ho fananam-pirenena ny ala sy ny kijana ary ny loharanon-drano.

Ny tetikasa lehibe indrindra dia ny fanavaozana ny fananan-tany, izay nahatonga ny mpana-tany lehibe ho very hery sy fahefana. Teo amin' ny lafiny sôsialy dia nanome zo bebe kokoa ho an' ny vehivavy sy namela ny fampivoarana ny asa ara-pitsaboana, ary nampiditra vola ho an' ny fampianarana, indrindra any ambanivohitra, ilay Revôlisiôna Fotsy.

Jereo koa hanova