Fivavaham-panjakana

Ny fivavaham-panjakana na fivavahan' ny fanjakana dia fivavahana nalain' ny fanjakana ho azy amin' ny fomba ôfisialy, izay midika fa ny lalànan' io fanjakana io dia mifanaraka amin' ny didin' ilay fivavahana. Fivavaham-panjakana no resahina rehefa ny lalàna na ny lalàm-panorenan' ny firenena no mamaritra fa izany fivavahana izany dia fivavaham-panjakana.

Ankehitriny, ny fisian' ny fivavahana ao amin' ny firenena iray manana ny satan' ny fivavaham-panjakana dia tsy ahafaha-mamantatra mialoha ny toe-javatra momba ny fivavahana rehetra ao amin' io firenena io: ny fivavaham-panjakana dia mety ho ny hany fivavahana nahazo alalana na mahazo tombontsoa fotsiny (fanohanana ara-bola ohatra), fa ny fivavahana hafa rehetra kosa dia azo atao malalaka.

Ny finoana silamo ankehitriny no fivavahana tena iharan' ny satan' ny fivavaham-panjakana. Tsy manaiky ny fisian' ny fivavaham-panjakana intsony ny ankamaroan' ny firenena tandrefana. Ny firenena sasany dia manaiky ny fisian' ny fivavahana ôfisialy iray na maromaro, nefa mety misy na tsy misy ao aminy ny fivavaham-panjakana.

Jereo koa hanova