Voltora be volombava

Ny voromahery be volombava na voltora be volombava (Gypaetus barbatus) no hany karazana ao amin' ny Gypaetus. Ity karazana ity dia hita any Azia Afovoany, any Afrika, any Atsinanana Afovoany ary any Eorôpa, izay iray amin' ny karazana voltora efatra - voafetra indrindra any amin' ny tendrombohitra Pirenea, any amin' ny tendrombohitra Alpa, any amin' ny tendrombohitra Corse ary any Kreta. Anisan' ny filaharan’ ny Accipitriformes izy io ary ao amin’ ny fianakaviana Accipitridae.

Voltora be volombava

Ity voltora lehibe ity – izay manana halava 1,10 m hatramin' ny 1,50 m; sy elatra mirefy  hatramin'ny 3 m; sy lanjany 5 ka hatramin'ny 7 kg - manana ny toetrany manokana: tsy misy faritra miboridana eo amin' ny loha sy ny tendany ary ny tratrany; vozon-tongotra feno volo; elatra tery sy mizorozoro ary rambony miendri-pantsika. Ny tapany ao ambany fotsifotsy miloko volom-boasary dia mifanohitra amin' ny lamosina sy ny elany ary ny rambony mainty. Ny mbola kely dia miloko manja matroka ranoray. Mazàna io vorona io dia irery. Mitabataba be mandritra ny vanim-potoanan' ny firaisan’ ny lahy sy vavy, mamoaka sioka maranitra.

Faritra misy ny voltotra be volombava: fonenany maharitra (maitso antitra), mbola misy vitsy sisa (maitso tanora), fandaniany ny ririnina (manga), nampidirana vaovao (mavo), mety efa tsy misy tavela (mavokely), efa tsy misy intsony (mena)

Ny voltora be volombava dia vorona any an-tendrombohitra any Eorôpa, any Afrika Atsinanana ary any Azia. Any Azia Afovoany no lehibe indrindra ny faritra misy azy. Hita any amin' ny tendrombohitra Himalaya ary koa amin' ny Lembalemba Tibetana, any Altai, any Pamir na any amin' ny tendrombohitra Alai sy Tian. Tany Eorôpa, ny tendeombohitra Pirenea dia misy voltora be volombava mpivady miisa 118 tamin' ny taona 2006 ary efa ho 500 ny isan’ ny vorona tao. Voromahery be volombava miisa 90 teo ho eo no niaina manerana ny tendrombohitra Alpa tamin' ny faran' ny taonjato faha-20, ary nisy 150 teo ho eo tamin' ny taona 2012, noho ny fandaharana iraisam-pirenena momba ny fampidirana indray sy ny fiarovana ny akaniny.

Jereo koa hanova