Ny fanindry masiaka na fanindry lava tongotra (Buteo rufinus) dia vorona mpihaza hita any amin' ny faritra maro any Eorazia sy any Afrika Avaratra. Ity karazam-borona ity dia mivelona any amin' ny faritra atsimo-atsinanana amin' i Eorôpa hatrany Afrika Atsinanana ka hatrany amin' ny faritra avaratra amin’ ny Zana-kôntinenta Indiana. Ny fanindry masiaka dia ao amin' ny sokajy Buteo, izay iray amin' ny karazana lehibe ao aminy. Na dia somary matanjaka aza izy io, dia heverina ho vorona mpihaza miadam-panidina kokoa amin' izy rehetra.

Fanindry masiaka
Ny faritra ahitana ny fanindry masiaka: fanamboarany akany (maitso tanora), fonenany maharitra (maitso antitra), fandaniany ny ririnina (manga)

Toy ny ankamaroan' ny karazana fanindry, dia mihinana biby madinika misy nono toy ny biby mpikiky izy, anisan' izany ny voalavo, ary koa ny biby mandady sy mikisaka, ny vorona sy ny bibikely ary koa ny fatim-biby. Mety mipetraka amin' ny toeram-ponenana isan-karazany ny fanindry lava tongotra izay afaka manao akany amin' ny toerana samihafa, anisan' izany ny vatolampy sy ny hantsana ary ny hazo. Ny fanindry lava tongotra dia miely patrana ary toa marin-toerana tsara ny hamarony.