Ny seranan-tsambo dia fotodrafitrasa naorin' olombelona amoron-ndrano (amoron-dranomasina, amorom-parihy, amoron-drano mandeha), natao handraisana ny sambo. Etsy ankilany, misy ny seranan-tsambo an-tany maina apetraka ho fanampin' ny seranan-tsambo amoron-dranomasina na amoron-dranomamy na tsia, ho fiantsonan' ny sambo mifandray amin' ny fotodrafitrasa miorina an-tanety ahafahana mitahiry ny sambo madinika toy ny sambolay, ary koa ny famindrana mankany amin' ny tambajotran-dalamby na tambajotran-dalana.

Serana-tsambo ao Le Havre (Seine-Maritime, Frantsa).

Ny seranan-tsambo dia azo anatanterahana asa maro, fa ambonin' izany rehetra izany dia tsy maintsy manome fahafaham-po ny fampialofana ny sambo, indrindra mandritra ny asa fanondranana sy fampidinana entana. Manamora ny famatsiana solika sy rano sy zavatra hafa, sy fanamboarana ny simba amin' ny sambo ihany koa izany. Toerana azo intranoan'ny olona koa izy.

Tsy toy ny seranam-pialofana na ny seranan-tsambo voajanahary izay, amin' ny ankapobeny, voaaron' ny tany amin' ny rivotra sy ny onjan-drano, ny seranan-tsambo dia voaaro amin' ny fefiloha na fanefitr' onja iray na maromaro.

Mety ilaina ny fangadiana hanesorana ny fotaka sy ny fasika mba hihazonana ny halaliny. Ny seranan-tsambo mihitsy dia misy tetezan-tseranana, na tetezan-tseranana mitsingevana ary tsy maintsy mifandray amin' ny fitaovam-pitaterana hafa (an' arabe, an-dalamby, sns.).

Misy amin' ny habe rehetra ny seranan-tsambo, izay afaka mampialoka sambo vitsivitsy ka hatramin' ny sambo an' arivony maro ary trano fiasana, fitahirizana, fampiantranoana na famokarana indostrialy koa.

Jereo koa hanova