Kalifata

Ny kalifata na kalifaty, avy amin' ny fiteny arabo خلافة na khilafat, dia fitondrana mozilmana entin' ny kalifa (arabo خليفة). Ny kalifa no mpanjakan' ny Umah (أمة‎, midika hoe "firenena") fehezin' ny Shari'a. Ny kalifa dia azo adika ho "mpandimby" na "solotena". Taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady tamin' ny taona 632, ny mpitondra voalohan' ny fanjakana mozilmana dia antsoina hoe "Khalifat Rasul Allah", izany hoe mpandimby ara-pôlitika ny voairak' Andriamanitra (izany hoe Mohamady, ho an' ny Mozilmana).

Talohan' ny nahatongavan' ny finoana silamo, ny mpanjaka arabo dia nampiasa ny anaram-boninahitra hoe malik ("mpanjaka", "mpanapaka", "mpitondra"), na anarana hafa avy amin' ny fototeny mitovy.

Kalifata maromaro no nisy hatramin' ny niorenan' ny finoana silamo, taorian' ny ady teo amin' ireo mpitaky hahazo ny anaram-boninahitry ny mpandimby ny mpaminany Mohamady, taorian' ireo kalifa efatra voalohany, fantatra amin' ny anarana hoe Rashidun ("notarihina marina"). Ny kalifata tena manan-danja dia:

Fiforonan' ilay anarana sy fampiasana azyHanova

Fiforonan-tenyHanova

Ny teny hoe kalifa dia avy amin' ny teny arabo hoe خَليفة / khalīfah, izay midika hoe "mpandimby", "mpitantana", na "solombavambahoaka" ary noheverina tamin' ny fomba mahazatra. fanafohezana ny hoe Khalīfat Rasūl Allāh ("mpandimby ny irak' Andriamanitra"). Na izany aza, ny fandinihana ny lahatsoratra talohan' ny silamo dia manondro fa ny dikan' ilay andian-teny tany am-boalohany dia "mpandimby nofidin' Andriamanitra".

Fampiasana hafa an' ilay tenyHanova

Io teny io koa dia ampiasaina hanondroana ny fitondrana ara-pôlitika mihitsy sy ny vanim-potoana nampiharana azy (ohatra, "tamin' ny kalifatan' i Harun al-Rashid"). Marihina anefa fa ny teny hoe khalîfa (kalifata) dia tsy voafetra amin' io fampiasana azy ara-pôlitika amin' ny teny arabo io.

Ny kalifata nifandimbyHanova

Ny Kalifata OmaiadaHanova

Ny Kalifata Omaiada dia anisan' ny kalifata islamika lehibe nisy taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady. Io no kalifata lehibe izay nanjaka tamin' ny faritra misy an' i Pakistàna hatramin' ny faritra misy an' i Espaina, dia anisan' ny fanjakana nivelatra indrindra teto an-tany: ny velarany tamin' ny taonjato fahafito dia 13 tapitrisa km2 (velaran' i Sina sy India akambana).

Ny Kalifata AbasidaHanova

Ny Kalifata FatimidaHanova

Ny Kalifata AlmôhadaHanova

Ny Kalifata ÔtômanaHanova