Abbas I Lehibe
Ankapobeny
Anarana Abbas I Lehibe
Teraka 27 Janoary 1571
Maty 19 Janoary 1629
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Iran
Asa :
Fiainana manokana

I Abbas I Lehibe dia shah tany Persia (Iràna ankehitriny) nanomboka tamin' ny taona 1588 ka hatramin' ny 1629. Olona malaza tao amin' ny tarana-mpanjaka Safavida i Abbas I izay nanaiky, tamin' ny fiandohan' ny fitondrany, ny hanolotra tany ho an' ny Ozbeka (any atsinanana) sy ho an’ ny Ôtômana (any andrefana). Mpahay tetikady izy, ka nanokana fotoana hananganana tafika matanjaka sy môderina (miaraka amin' ny fanampian' ny mpanolotsaina britanika). Avy eo, i Abbas I dia nitarika ny ady mitety tanàna ary namerina ny tany nomeny rehetra; tamin’ ny taona 1623, taorian’ ny nahazoany an’ i Bagdad, dia nanjaka tamin’ ny empira nampivangongo fahefana sy niroborobo izy, izay nivelatra nanomboka teo amin’ ny ony Tigrisy ka hatrany amin’ ny ony Indosy.

Mpitantan-draharaha mahay koa i Abbas I izay namporisika ny varotra sy ny taozavabaventy. Mpiaro ny zavakanto izy, izay nisy fandrosoana lehibe nandritra ny fanapahany. Nasainy naorina indray ny tanànan’ i Isfahan (ao Iràna ankehitriny), izay nataony renivohitra; ny ankamaroan' ny tranobe malaza ao an-tanàna, toy ny Môskean' ny Imam, dia naorina nandritra ny fotoana nanjakany.

Ny fiainany manokana

hanova

I Mohammed Khodabanda no rainy. Ny zanany dia i Safi any Persia.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova
  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.