Hanokatra ny renilisitra

Ny empira akemenida na fanjakana akemenida dia fanjakan-dehibe nanapaka tany Persia tamin'ny taona 550 hatramin'ny 330 tal. J.K. Ny Akemenida dia atao hoe Haxāmanišiya amin'ny teny persiana taloha.

Araka ny angano akemenida dia i Haxāmaniš izay antsoin'ny teny grika hoe Ἀχαιμένης / Akhaimenês, izay mety niaina tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-7 tal. J.K., no razamben'ny Akemenida, hoy ny soratra persiana akemenida. Izy no voalaza ho mpanjaka voalohany nanapaka ny an'i Ansana (someriana: Anzan), izay faritany notapahin'ny Mediana (na Meda).

Ny ankamaroan'ny mpikaroka tantara ankehitriny anefa miaiky fa ny tena mpanorina ny empira akemenida dia i Kirosy Lehibe, izay nanapaka ny fanjakana persiana nanomboka tamin'ny taona 550 tal. J.K. Rehefa tonga tamin'ny fara tampony ny herin'ny empira akemenida tamin'ny andron'i Dariosa I (na Dariosy I) tamin'ny taona 521 hatramin'ny 486 tal. J.K. dia nanitatra ny faritra nanjakany ny Akemenida ka nivelatra hatrany amin'ny renirano Indosy, hatrany Libia, hatrany Traka (na Trake), hatrany amin'ny Ranomasina Mainty, hatrany amin'ny Ranomasina Kaspiana ary hatrany amin'ny Ranomasin'i Araly any amin'ny Helodrano Persika izany.

Ny fianakaviana akemenida dia nanana fandraharaham-panjakana niavaka, izay niorina tamin'ny fitsinjarana ny faritra manontolo anjakany ho faritany roapolo izay samy nofehezin'ny governora avy, sady nofehezina araka ny fehezan-dalàna, nanana vola nampiasaina manerana ny tanin'ny fankana. Nanaraka ny fivavahan'i Zaratostra ny Akemenida nefa namela ny fivavanana hiaraka hisy amin'ny zoroastrisma. Nandroso fatratra ny zavakanto sy ny fanaovana mari-trano tamin'ny andron'ny Akemenida araka ny mbola hita amin'ireo sisam-paharavana maro ao amin'ny toerana nisy ny renivohiny tao hoe Persepolisy.

Ny fanjakan'ny akemenida dia nifarana tamin'ny nahafatesan'i Dariosa III tamin'ny taona 330 tal. J.K., izay novonoin'i Besosy governorany sy i Nabarzanesy jeneraliny taorian'ny fahareseny tao Gaogamelesy raha niady tamin'ny tafik'i Aleksandra Lehibe tamin'ny taona 331 tal. J.K.

Ireo mpanjaka akemenida nifandimbyHanova

Ny tsy tena azo antoka fa mety noforonin'i Dariosy I:

Akemenesy (688-675 tal. J.K.) - Teispesy ( 675-640 tal. J.K.) - Kirosy I (640-600 tal. J.K.) - Ariaramnesy (6??-6?? tal. J.K.) - Kambisosy I (600-559 tal. J.K.) - Arsamesy (6??-5?? tal. J.K.)

Ny azo antoka:

Kirosy II Lehibe (550-530 tal. J.K.) - Kambisosy II (529-522 tal. J.K.) - Bardia (522-522 tal. J.K.) - Dariosy I (522-486 tal. J.K.) - Kserksesy I (486-465 tal. J.K.) - Artakserksesy I (465-424 tal. J.K.) - Kserksesy II (424-424 tal. J.K.) - Sogdianosy (424-423 tal. J.K.) - Dariosy II (423-404 tal. J.K.) - Artakserksesy II (404-359 tal. J.K.) - Artakserksesy III (359-338 tal. J.K.) - Arsesy (338-336 tal. J.K.) - Dariosy III (336-330 tal. J.K.).

Jereo koaHanova