Ny Taty (na Parsy, Dagly, Lôhijôna) dia vahoaka iraniana monina ao Azerbaijàna sy ao Rosia (indrindraindrindra any amin' ny faritra atsimo amin' i Dagestàna). Ny Taty dia anisan' ny tompontany iraniana any Kaokazy.

Vehiviantitra avy any Lahic any Azerbaijàna.
Faritra misy ny Taty ao Azerbaijàna (ao amin' ny Governôratan' i Baku, ampahany amin' ny Empira Rosiana) tamin' ny taona 1886–1890.

Ny Taty dia mampiasa ny fiteny taty, izay fiteny iranika atsimo-andrefana somary hafa noho ny fiteny persana, ary koa ny fiteny azerbaijany (na azery) sy ny fiteny rosiana. Mozilmana siita indrindra ny Taty miaraka amin' ny Mozilmana sonita vitsy an' isa.

Ny isan' ny mponina tsarista tamin' ny taona 1886–1892 dia nahitana Taty niisa 124 683 tao amin' ny faritra Kaokazy rosiana ka 118 165 tamin' ireo no tao amin'ny Governortan’ i Baku ary 3 609 tao amin' ny Ôblastan' i Dagestana. Ny fanisam-bahoakan' ny Empira Rosiana tamin' ny taona 1897 dia nahitana Taty miisa 95 056, ka ny 89 519 tamin' ireo dia tao amin' ny Governoratan' i Baku ary 2 998 tao amin' ny Ôblastan' i Dagestana. Ny fanisam-bahoakan' ny Sôvietika tamin' ny taona 1926 dia tsy nahitana afa-tsy Taty miisa 28 705 ka ny 28 443 tamin' ireo dia tao amin' ny SSR Azerbaijana ary ny 1 237 tao amin' ny ASSR Dagestana.

Ny ankamaroan' ny Taty tamin' ny fanisam-bahoakan' ny taona 1926 dia nosokajina ho "Persiana" sy "Tiorka Azerbaijany". Izany indrindra no nitranga tao amin' ny SSR Azerbaijana, izay nahitana olona 38 327 teo ho eo nosokajina ho "Tiorka manao ny fiteny taty ho fitenin-drazany". Ny fanisam-bahoakan' ny Sôvietika tamin' ny taona 1979 dia nahita Taty miisa 22 441 ka ny 8 848 tamin' ireo no tao amin' ny SSR Azerbaijana ary 7 437 tao amin' ny ASSR Dagestana.