I Ismail I (1487-1524) dia shah tao Persia (1501-1524), mpanorina ny tarana-mpanjaka safavida. Ity mpitarika ny firahalahiana safavidan’ i Azerbaijàna ity, izay sonita tamin’ ny voalohany avy eo siita, dia nitarika "Mena Loha" (mpitondra satroka turban mena misy foritra roa ambin' ny folo maneho ny imama roa ambin' ny folon' ny Siitan’ ny roa ambin' ny folo) ary nihevitra ny tenany ho manana razambe an’ i Ali, vinantolahin’ ny mpaminany Mohamady.

Ismail I

Lasa shah tao Persia izy, naka ny tanànan' i Tabriz (1502) ary nametraka ny siisman’ ny roa ambin' ny folo, izay ataon' ny ankamaroan' ny Iraniana ho fivavaham-pirenen' izy ireo ankehitriny. Ny finiavana te hanita-panjakana dia voarasakan’ ilay soltana ôtômana Selim I tao andrefana sy voasakan’ ny Ozbeka tany atsinanana.