Fivavahana ôfisialy

Ny fivavahana ôfisialy dia fivavahana manana sata ara-dalàna sy ekena ao amin' ny firenena na fanjakana iray.

Raha azo raisina ho endri-pivavahana ôfisialy ihany koa ny fivavaham-panjakana iray, dia tena resaka fivavahana ôfisialy izany rehefa manaiky fivavahana voafetra isa ny fanjakana iray izay manome azy ireo sehatra ara-dalàna, ary mety ho fanohanana ara-pandaminana na ara-bola no azon' izy ireo. Izany dia manamora ny fisian' ny fivavahana ôfisialy izay mandreraka ny fivavahana tsy ôfisialy izay ferany na rarany mihitsy ny fanompoam-pivavahana atao ao aminy.

Ny fanekena ny fivavahana iray ho ny fivavahana ôfisialy dia miseho, any amin' ny firenena izay mampanan-kery izany, ho antoky ny fahalalahana ara-pivavahana, nefa izany dia heverina any amin' ny firenena hafa ho fanitsakitsahana izany fahalalahana ara-pivavahana izany, amin' ny famaritana araka ny lalàna izay fivavahana ekena na heverina ho tsy misy, eny voarara aza ny sasany. Mipetraka ny fanontaniana momba ny fivavahana manao fomban-tsekta: ohatra, ny siantôlôjia dia voarara any Frantsa amin' ny maha sekta azy, fa nahazo alalana sy ekena ho fivavahana any amin' ny firenena maro. Ny fanontaniana momba ny fahalalahana ara-pivavahana araka izany dia miankina amin' ny sehatry ny zavatra azo faritana ho "fivavahana miorina" araka ny maha tsy voafetra isa ny finoana azo heverina.

Anisan' ny tombontsoa azo amin' ny fivavahana ôfisialy ny famoriam-bola ataon' ny fanjakana amin' ny anaran' ny hetram-piangonana (tahaka ny any Alemaina) na ny fanakaraman' ny fanjakana ny mpitondra fivavahana (toy ny any Belzika na any Alsace-Moselle any Frantsa). Ny fanekena ny fivavahana dia ara-tandindona tsotra fotsiny indraindray.

Jereo koa hanova