I Mohammad Khatami dia mpitondra fanjakana iraniana, filohan' ny Repoblika Islamika tao Iràna tamin' ny taona 1997 hatramin' ny 2005.

Mohammad Khatami

Zanakalahin' ny ayatollah Ruhollah Khatami i Mohammad Khatami, mpikambana manan-danja sy nohajaina tao amin' ny mpitondra fivavahana siita iraniana avy amin' ny taranaky ny mpaminany Mohamady, nahazo diplôma amin' ny filôzôfia sy ny siansan’ ny fanabeazana tao amin' ny lalam-piofanana ao Qom. Nahazo mari-pahaizana momba ny teôlôjia ihany koa izy, ka anisan' ny mpitondra fivavahana siita sady nitondra ny anaram-boninahitra eo anelanelany amin' ny ambaratonga ara-pivavahana, atao hoe hojatoleslam.

Minisitry ny kolontsaina mpandanjalanja hanova

Talen' ny Foibe Islamika ao Hamburg tamin' ny taona 1979 ka hatramin' ny 1980 i Mohammad Khatami, izay mpanohitra ny fitondran' ny shah, nifandray tamin' ny ayatollah Ruhollah Khomeini izay Mpitarika ny Revôlisiôna Islamika. Niverina tany Iràna izy mba hiditra ao amin' ny governemanta taorian' ny revôlision’ ny taona 1979. Tamin' ny taona 1982 ka hatramin' ny 1992 dia izy no Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika (Ministre de la Culture et de l’Orientation islamique). Tamin' ity toerana ity dia nohalefahiny ny sivana atao amin’ ny gazety sy ny boky ary ny sarimihetsika, ary niseho ho mpiaro ny manam-pahaizana nandritra ny vanim-potoanan' ny famoretana izy. Na izany aza dia nijanona ho mahatoky amin' ny eritreritr’ i Khomeini izy, ary nitazona ny fandrarana ny mozika sy ny asasoratra tandrefana.

Na izany aza, ny pôlitikan' ny fisokafana dia nahatonga azy ho lasibatry ny mpitahiry ny nentin-drazana ao amin' ny fitondrana. Nametra-pialana izy tamin' ny volana May 1992, zavatra tsy mbola nisy teo amin' ny tantaran' ny Repoblika Islamika, tamin’ ny nanamelohany amin' ny alalan' ny taratasy nalefany ho an' ny filoha Akbar Hashemi Rafsanjani ny "firongatry ny toe-tsaina mihemotra sy ny tontolon’ ny tsy fandriam-pahalemana izay manjaka hatrany amin' ny hetsika ara-kolontsaina”. Voatendry ho talen' ny Tranombokim-pirenena ao Iràna izy avy eo.

Mpomba ny fanjakana tan-dalàna hanova

Ny lahatsoratra filôzôfika sy pôlitika nataon' i Mohammad Khatami dia nanohanany ny pôlitikan' ny "fifanatrehana ara-kolontsaina" amin' ny Tandrefana, izay pôlitika nosafidiny fa tsy fiforetana hiarovan-tena. Nametraka ny firotsahan-kofidina amin' ny anaran' ny tsy miankina izy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny volana Mey 1997. Nantitranteriny fa ny fahazoana fankatoavana ara-pôlitika sy ara-pivavahana dia azo amin' ny fiarahamonim-pirenena. Nampanantena fametrahana fanjakana tan-dalàna sy fanajana ny fahalalahana maneho hevitra izy.

Samy notohanan' ny mpandala fanavaozana (mpanohana an' i Rafsanjani) sy ny islamista mahery fihetsika (manaraka an’ i Khomeini) i Mohammad Khatami izay nahazo ny fanohanan' ny manam-pahaizana, na laîka na mpitondra fivavahana. Ny tanora sy ny vehivavy, voataonan' ny fiandaniany amin’ ny fandraisana anjaran' ny vehivavy bebe kokoa amin' ny andraikitra ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika, tamin' ny fampanantenany hiady amin' ny tsy fananan' asan’ ny tanora sy ny finiavany hampisokatra an' i Iràna amin’ izao tontolo izao, izay hiantoka ny fandreseny.

Pôlitikan' ny fisokafana hanova

Voafidy tamin' ny 69 % amin' ny vato i Mohammad Khatami, izay nanohy ny pôlitikan' ny fisokafana notarihin' i Akbar Hashemi Rafsanjani amin' ny firenena arabo, fa ambonin' izany rehetra izany dia nikatsaka ny hanapaka ny fitokana-monin' ny fireneny amin' ny firenena tandrefana izy.

Noho izany dia nanolotra soso-kevitra izy, nandritra ny resadresaka nifanaovany tamin' ny fahitalavitra amerikana, ny amin’ ny "fifampiresahan' ny sivilizasiôna" miaraka amin' ny Tandrefana, avy eo nankany New York tamin' ny fanokafana ny fotoam-pivorian' ny Firenena Mikambana tamin' ny Septambra 1998 ary nanohana ny Minisitry ny Kolontsaina rehefa nanambara izy fa ny governemanta iraniana dia tsy miombon-kevitra amin' ny fandrahonana ho faty mitambesatra amin’ i Salman Rushdie, mpanoratra ny Satanic Verses sady lasibatry ny didy ara-pivavahana (fatwa) avy amin' ayatollah Ruhollah Khomeini.

Ao amin' ity firenena ity dia niaina fahalalahana vaovao ny gazety ary nampitomboin' ny filoha Khatami ny fanambaràna mandrisika ny fanalefahana ny fitsipika mifehy ny fomba fiaina sy ny fomba amam-panao. Voasakantsakan’ ny mpitahiry ny nentin-drazana, izay mbola nifehy ny ankamaroan’ ny andrim-panjakana, anefa ny zavatra nataony. Namely ny mpanohana an' i Mohammad Khatami indrindraindindra izy ireo ka nahazo, tamin' ny vlolana May 1998, ny fanamelohana ny kolikoly nataon' ny ben' ny tanànan' i Teheran. Ny famonoana mpanohitra roa mpivady sy manam-pahaizana maromaro tamin' ny taona 1998 dia nampiseho ihany koa ny firongatry ny fifandonana tao anatin’ ny fitondrana. Na izany aza, amin' ity indray mitoraka ity, i Mohammad Khatami dia afaka nanamafy indray ny hetsika fanohanana ny fanjakana tan-dalàna, tamin’ ny alalan’ ny fanokafana fanadihadiana sy ny fampahafantarana ny besinimaro ny maha voarohirohy ny mpiasan’ ny Minisiteran' ny Atitany.

Tsy fahombizana sy fandaozana ilay hetsika hanova

Tamin' ny Jona 2001 dia voafidy indray raha nandresy tamin' ny vato 77 % i Mohammad Khatami. Ity fahalaniany ity dia nanamafy ny fanantenana fahalalahana teo amin' ny Iraniana sy ny hetahetany ho amin' ny fanovana. Tsy nankasitrahan’ ny mpanohitra mpitahity ny nentin-drazana anefa ny pôlitikan' ny fanavaozana.

Noteren' ny mpomba azy hanafaingana ny fizotran' ny fanavaozana ny filoha Khatami ka nametraka volavolan-dalàna roa tamin' ny taona 2002, volavolan-dalàna mikendry ny hampitombo ny fahefan' ny filoham-pirenena amin' ny raharaham-pitsarana sy hamerana ny fahefan' ny Filankevitry ny Mpiambina – ratsamangaika napetraka eo ambany fahefan' ny Mpitarika Faratampon’ ny Revôlisiôna sady ilaina ny fankatoavan' ity filankevitra ity mba hampanan-kery ny lalàna lany ao amin' ny Antenimiera.

Na izany aza, raha nampitomboin' ny mpitahiry ny nentin-drazana ny famelezana ary raha saro-kenatra tamin' ny fametraham-panontaniana momba ny fitondrana i Mohammad Khatami, ny ankolafin' ny mpandala fanavaozana kosa dia nizaka ny vokatry ny fahadisoam-panantenan' ny ampahany amin' ny vahoaka manoloana ny tsy nahatafavoaka ny dingana mankany amin’ ny fanalalahana. Nahazo fandresena lehibe ireo antoko mpitahiry ny nentin-drazana tamin' ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin' ny taona 2004, nahitana ny fanafoanan' ny Filankevitry ny Mpiambina ny ankamaroan' ny filatsahan-kofidin’ ny mpandala fanavaozana sy ny an' ny tsy miankina, sy ny tsy fandraisana anjara betsaka tsy nisy toa azy hatrizay.

Nandao ny volavolan-dalàna natolony ny filoha Khatami ary nanambara ny fahareseny, mba tsy hanesorana ny fahefana vitsivitsy sisa tavela taminy. Ity tsy fanohanana intsony ny volavolan-dalàna ity dia nanasongadina ny fahasarotan' ny fanovana ny Repoblika Islamika avy ao anatiny.

Taorian' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2005 dia nandimby an' i Khatami teo amin' ny maha filoham-pirenena azy i Mahmoud Ahmadinejad, mpitahiry ny nentin-drazana.

Jereo koa hanova