I Sefid Rud (persana: ﺳﻔﻴﺪ ﺭﻭﺩ, "Renirano fotsy") na Rud-e Safid, dia renirano mirefy 670 km eo ho eo, mipoitra avy any avaratra-andrefana amin' i Iràna ary mikoriana, amin' ny ankapobeny, miatsinanana ary mivarina amin' ny Ranomasina Kaspiana ao Rasht. Tohodrano iray ao amin' i Sefid Rud naorina tamin' ny taona 1962 no manapaka riandrano iray ao amin' ny Tendrombohitra Alborz, misintona rano avy amin’ ny sakeli-drano roa ary manitatra ny lohasaha eo anelanelan' ny Tendrombohitra Talesh sy ny tandavan-tendrombohitra lehibe Alborz: izy no lalana lehibe indrindra eo anelanelan' i Teheran sy ny tany ivan' i Kaspiana.

I Sefid Rud mandalo eo akaikin' i Rasht

Io renirano io dia fantatra efa hatramin' ny Andro Taloha amin' ny anarana hoe Mardus na Amardus ary nandritra ny fotoana nanjakan' ny Ilkana Môngôly (Ilkhans Mongol) teo ambany fahefan’ i Hûlân Mûrân tamin'ny taonjato faha-13 sy faha-14.