Fiarahamonim-pirenena

Ny fiarahamonim-pirenena na firaisamonim-pirenena dia endri-pikambanana manan-tanjona tena sivily izay eo ambanin' ny lalàna sivily sy ny fitsarana sivily, mifanohitra amin' ny orinasa ara-barotra sy ny orinasam-panjakana sy ny asa fitantanan-draharaham-panjakana na ny antoko pôlitika, nefa mpisehatra ara-pôlitika.

Asongadin' ny fikambanana iraisam-pirenena lehibe toy ny Firenena Mikambana ny fiarahamonim-pirenena izay manondro ny fikambanana tsy miankina amin' ny fanjakana sy tsy mitady tombony izay miasa ho vondrona maneritery mba hanova zotra ny pôlitikan' ny governemanta ho amin' ny tombontsoan' ireo izay soloany tena. Noho izany ny fiarahamonim-pirenena dia fandaminana ataon' ny fiarahamonina, ivelany na mifanindran-dalana nefa tsy miankina sy tsy itsabahan' ny rafitra ara-pôlitika na ara-pitantanan-draharaham-panjakana na ara-barotra.