Damaskôsy

I Damaskôsy na Damasy[1] dia renivohitr' i Siria sady tanàna lehibe indrindra ao Siria. Izy koa no tanàna antitra indrindra mbola ipetrahan' ny mponina. Misy mponina 2,6 tapitrisa izy tamin' ny taona 2004[2]. Atao hoe مشق / Dimashq, izy amin' ny teny arabo.

Sarin' ny tanànan' i Damaskôsy tamin' ny taona 1467

I Damakôsy dia renivohitry ny kalifaty omaiada tamin' ny taonjato faha-7 hatramin' ny taonjato faha-8. Taorian' ny fandresen' ny dinastia abasida, dia nafindra tany Bagdad ny renivohitra. Nandritra ny taonjato faha-13, dia lasa renivohitry ny kalifaty mamalòka, izay nahatonga azy ho tanàna lehibe ary manan-karena amin' ny lafiny ara-kolontsaina ao amin' ny faritra misy azy (Azia Andrefana). Nandritra ny taona nanjakan' ny Fanjakambe ôsmana, dia nihakely ny lanjan' i Damaskôsy. Amin' izao fotoana izao, i Damaskôsy no renivohitr' i Siria. Ary noho ny hareny ara-kolontsaina, izy io no voafidy ho renivohitra ara-kolontsain' ny Arabo tamin' ny taona 2008.[3]

TsiahyModifier

  1. Anarana nomen'ny mpandika baiboly malagasy an'ilay tanàna
  2. Central Bureau of Statistics Syria Syria census 2004
  3. دمشق عاصمة الثقافة العربية 2008. Damascus.org.sy. archived from the original on 2011-08-05 Retrieved on 2010-06-20.