Wiki letter w.svg   Ity pejy ity dia pejy manirery ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa. (Martsa 2010)

Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity.

Ny fiteny persana na fiteny farsy dia tenim-pirenenan'i Irana, ao amin'ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin'ny sampana indô-iraniana, ao amin'ny zana-tsampana iraniana. Mahery ny 60 tapitrisa ny isan'ny mpiteny persana any Iràna ary ny any Afganistana misy 16 tapitrisa. Misy mpiteny persana koa ny any Tajikistàna, ny any Bareina ary ny any Ozbekistàna (foko tajiky). Atao hoe فارسی / fārsī ny anaran'ny fiteny persana any Iràna sy any Afganistàna. Endrika arabon'ny teny hoe parsi, ny hoe farsi satria tsy manana renifeo p ny abidy arabo.

Fiteny persana
فارسی, دری
Fārsi Farsi.svg
Fanononana [fɒːɾˈsi]
Tenenina any Irana,

Afganistana, Bahreina, Irak, Kazakstana, Tajikistana, Ozbekistana,

Region Azia Andrefana, Azia Anivo
Total speakers 80-134 tapitrisa
Ranking faha 22 (tenin-dreny)[1]
Language family
  • Indo-Iranianina
    • Iranianina
      • Iranianina andrefana
        • Iranianina Atsimo andrefana
          • Fiteny persana
Writing system fanoratana perso-Arabika, Sirilika
Official status
Official language in  Iran
Afganistana
Tajikistana
Regulated by Akademian'ny fiteny persana sy haisorana, Akademian'ny siansa any Afganistana
Language codes
ISO 639-1 fa
ISO 639-2 per (B)Endrika:Infobox Language/terminological
ISO 639-3 variously:
fas – Persian
prs – Persana atsinanana
pes – persana andrefana
tgk – Tajik
aiq – Aimaq
bhh – Bukharic
drw – Darwazi
haz – Hazaragi
jpr – Dzhidi
phv – Pahlavani
Sarintany maneho ny faritra ahitaa ny mpiteny persana sy fiteny iraniana hafa. Io miloko maitso io ny manandrify ny fiteny persana

Manana satam-piteny ôfisialy ny fiteny persana anatin'ireo firenena telo ireo: endriky ny fiteny persàna isam-paritra ny fiteny dary (fiteny ôfisialy ao Afganistàna) sy ny fiteny tajiky (fiteny ôfisialin'i Tajikistàna) izay tenenina koa ao Kirgizistàna, ao Torkmenistàna, ao Ozbekistàna ary koa ao Kazakstàna.

Ny totalin'ny mpiteny persana dia misy 75 tapitrisa. Ny fiteny persana dia fiteny eo amin'ny vondrom-piteny indô-eorôpeana ao amin'ny sampana indô-arianina. Ny rafi-pehezanteniny dia SOV. Soratana amin'ny alalan'ny abidy arabo ny fiteny persana na dia tsy manam-pifandraisana amin'ny fiteny arabo aza izy na amin'ny lafiny voambolana na amin'ny lafiny ara-drafi-peo. Any Tajikistàna (sy any Ozbekistàna miteny persana) dia soratana amin'ny abidy sirilika ny fiteny tajiky.

Jereo koaHanova

Rohy ivelanyHanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. http://www.vistawide.com/languages/top_30_languages.htm