I Ôseania dia kôntinenta izay fitambaran' i Aostralia sy ny nosy anarivony maro manodidina (miisa 25 000 any ho any) ao amin' ny faritra atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika. Ahitana firenena miisa 16 ny ao Ôseania. Hita ao i Aostralia, i Zelanda Vaovao, i Ginea Vaovao, Tasmania, i Melanezia, i Mikrônezia, i Pôlinezia, i Haoay. Ny nosy sy ny tamba-nosy sasany dia mifanalavitra dia mifanalavitra (anarivony kilômetatra). Manana velarana 8 525 989 km2 ny kôntinentan' i Ôseania, izay onenan' ny mponina miisa 50 tapitrisa any ho any tamin' ny taona 2000. Ny 90 %n' izay dia i Aostralia. Izy no kôntinenta kely indrindra eto an-tany.

Oseania
Oseania

Efa nisy mponina hatramin' ny taonarivo maro i Ôseania, ka vahoaka isan-karazany no noniana ao, isan' izany ny Abôrijinan' i Aostralia sy ny Papoa. Ankoatry ny fiteny anglisy sy frantsay izay fiteny manjakazaka any Ôseania hatramin' ny fanjanahan-tany dia misy vondrom-piteny roa ny ao: ny fiteny papoa sy ny fiteny aostrôneziana. Ny valo amin' ny tanàna lehibe indrindra any Ôseania dia ao Aostralia, ka isan' izany i Sydney sy i Melbourne, izay ivangongoan' ny ampahefatry ny mponina ao amin' io kôntinenta io. Misy tanàndehibe dimy hafa izay onenan' ny mponina miisa iray tapitrisa: i Brisbane, i Perth, i Auckland, i Adelaide ary i Honolulu.

Firenena mahaleo tena sy tanim-pirenena hanova

Firenena mahaleo tena hanova

Misy firenena mahaleo tena miisa 16 ny any Ôseania, dia ireto avy izany: i Aostralia, ireo Nosy Koky (mikambana malalaka amin' i Zelandy Vaovao), i Fijy, i Kiribaty, ireo nosy Marsaly, i Mikrônezia, i Naoro, i Nioe (mikambana malalaka amin' i Zelandy Vaovao), i Zelandy Vaovao, i Palaô, i Papoazia-Ginea-Vaovao, ireo nosy Sôlômôna, i Samôa, i Tônga, i Tovalo ary i Vanoato.

Tany tsy mahaleo tena hanova

Ireto avy ny tany sy firenena tsy mahaleo tena fa miakina: i  Guam (an' i Etazonia), ireo nosy Mariannes du Nord (an' i Etazonia), ireo nosy Norfolk (an' i Aostralia), i Nouvelle-Calédonie (an' i Frantsa),ireo nosy Pâques (an' i Sily), ireo nosy Pitcairn (an' ny Fanjakana Mitambatra), i Polynésie Française (an' i Frantsa), ireo Samoa Amerikaina (an' i Etazonia), i Tokelau (an' i Zelandy Vaovao), i Wallis-et-Futuna (an' i Frantsa), i Wake (an' i Etazonia), i Hawai (an' i Etazonia), i Papoasia Andrefana sy Papoazia (an' i Indônezia), ny Atoll Johnston (an' i Etazonia), ary ireo nosy Midway (an' i Etazonia).

Fizaram-paritra any Ôseania hanova

Mizara faritra efatra i Ôseania, dia i Mikrônezia, i Melanezia, i Pôlinezia ary i Aostralazia.

 
Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Mikrônezia hanova

I Mikrônezia dia vondro-nosy any Ôseania, izay ahitana ireto fanjakana sy faritra ara-pôlitika ireto:

  • ny Fanjakana mizakatenan' i Mikrônezia;
  • ireo nosy Marsaly(Marshall) ;
  • i Kiribaty (Kiribati);
  • ireo nosy Mariana Avaratra (miankina amin' i Etazonia);
  • i Wake (miankina amin' i Etazonia);
  • i Naoro (Nauru);
  • i Palaô (Palaos);
  • i Guam (miankina amin' i Etazonia);

Melanezia hanova

I Melanezia dia vondronosy telo lehibe ao Ôseania, izay ahitana ireto fanjakana sy tany manaraka ireto:

Pôlinezia hanova

I Pôlinezia dia faritra ao amin' ny tapany atsinanana amin' i Ôseania,

izay ahitana fanjakana mahaleo tena fito:

sy tany tsy mahaleo tena telo ambin' ny folo:

  • i Haoay (Hawaii), Samôa amerikana, i Johnston, i Baker, i Howland, i Jarvis, i Palmyra (miankina amin' i Etazonia);
  • Polynesie Francaise, Wallis-et-Futuna (miankina amin' i Frantsa);
  • ny nosy Chatham, Tokelau (miankina amin' i Zelanda Vaovao);
  • ireo nosy Pitcairn (miankina amin' ny Fanjakana Mitambatra);
  • ny Nosin' ny Paska (miankina amin' i Sily).

Aostralazia hanova

I Aostralazia dia faritra any Ôseania izay tsy voafaritra mazava tsara nefa amin' ny ankapobeny ahitana an' i Aostralia sy i Zelandy Vaovao, nefa ahitana koa indraindray an' i Ginea Vaovao sy ny nosy manodidina azy.

Fiteny any Ôseania hanova

Ny fiteny any Ôseania dia ireo hita indrindra ao amin' ny vondrona telo lehibe: fianakaviam-piteny aostrôneziana, fitenin' ny tompon-tany ao Aostralia ary ireo fiteny papoa. Ny mpanjana-tany koa dia nitondra ny fiteniny tao amin' io faritra io, indrindra ny fiteny anglisy sy ny fiteny frantsay.

Fiteny papoa hanova

Ny vondrom-piteny papoa dia tenenina ao amin' ny tany avo any Ginea Vaovao sy any amin' ny nosy sasany ao Indônezia. Ny ankamaroan' ny mpahay teny dia manakilasy ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia ho vondrona mahaleo tena. Be dia be ireo fiteny ireo (miisa 900 any ho any raha isaina koa ireo endrika isam-paritry ny fiteny tsirairay), nefa ny ankamaroany dia fiteny maty.

Fiteny aostrôneziana hanova

Ny fiteny aostrôneziana, izay miely any amin' ny ampahany amin' i Azia Atsimo-Atsinanana, aty Madagasikara, dia heno koa any amin' ny nosy any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Ginea Vaovao hatrany amin' ireo Nosy Paska any amin' ny Ranomasimbe Pasifika.

Misy mpahay fiteny sasany dia manasokajy ho vondrona manokana ny fiteny tenenina ao amin' ny morontsiraka atsinanan' i Ginea Vaovao, ka tsy manakambana azy ireo amin' ny fiteny ao amin' ny nosy maro ao Pasifika.

Fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia hanova

Ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia vondrom-pianakaviam-piteny maro miampy fiteny manirery maro ao Aostralia sy ny nosy manodidina, afa-tsy i Tasmania. Tsy fantatra mazava ny fifandraisan' ireo fiteny ireo. Ny ankamaroan' ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia azo avondrona anatin' ny fianakaviam-piteny pama-niongàna, izay ahitana ny 90 %n' ny velaran-tanin' i Aostralia. Ny sisa hafa dia mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 27 izay hita any amin' ny faritra farany avaratra.

Fiteny eorôpeana hanova

Vokatry ny fanjanahan-tany dia fahita indrindra any Ôseania ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy. Maro ny fiteny pijina sy kreôly (izay ampiasana hifaneraserana ka indraindray manjary fitenin-drenin' ny olona maro) nipoitra vokatry ny fifampikasohan' ny fiteny eorôpeana sy ny fitenin' ny tompon-tany.

Jereo koa hanova

Ny kôntinenta: Afrika - Azia - Eorôpa - Amerika - Ôseania