Saka
Ny saka dia biby mampinono ao amin' ny fianankavian' ny Felidae. Anisan' ny biby mipetraka ao an-tranon' olona izy ary misy karazana dimampolo fantatry ny sehatra fanaovana fanamarinana. Ny anarany ara-tsiansa dia Felis silvestris catus.
Ny voalavo sy biby mikiky no sakafony. Afaka mamoaka feo maromaro ny saka, na dia mifandray amin' ny alalan' ny endri-tarehy sy ny ferômôna aza izy.
Araka ny valin' ny asa natao tamin' ny 2006 sy 2007, zana-karazana Felis silvestris ny saka mipetraka an-tranon' olona ankehitriny, ary nivoatra izy 130 000 taona aty aoriana. Efa 8 000 - 10 000 taona lasa izany ny saka no nataon' ny olona biby fiompy.
Ny endriny
hanovaTahaka ny biby mpihinan-kena, manao "carnassière" ny vazamasay farany sy ny vazana. Izy ireo dia ilain' ny saka mba handrovitra sy hanongotra ny nofo, ny hozatra matanjaka mifototra eo amin' ny karan-dohany mahafaka azy mitelina ny sakafo avy hatrany. Miampy amin'izany koa ny tonontaolana mafy tsy afahany mitsako mivilana (tsy malefaka ny valanoranony). Taolana daholo ny taolana hiôida, tsy afahan' ny saka manerona ilay taolana hiôida.
Eo amin' ny kolontsaina
hanovaOha-pitenenana
hanova- "Mivarotra saka be loha": manao laza masaka, mampitombo resaka, mandrebireby...
- "Voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alaim-bolombava": mila ady, mitady loza ho an'ny tena...
- "Saka dia bory rambo": "teny ratsy" tsy dia masiaka loatra entina maneho fahasorenana.
- "Saka manatody": zavatra tsy misy ary tsy hisy