Ny fiteny balotsy dia fiteny iraniana tenenina ao Balotsistàna (izay nozarain' i Iràna sy i Afganistàna ary i Pakistàna). Fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana izy. Ahitana olona miteny azy koa ny ao Torkmenistàna sy ny ao Ômàna. Fiteny lavidavitra ny fiteny farsy ny fiteny balotsy. Misy ampahany be amin' ny mpiteny balotsy no miteny farsy ao Iràna sy ao Afganistàna ary ao Pakistàna.

Lehilahy balotsy any Pakistàna

Jereo koa hanova