I Neda Agha-Soltan dia tovovavy iraniana maty voatifitra nandritra ny iray tamin' ny hetsi-panoherana taorian' ny valim-pifidianana filoham-pirenena tao Iràna tamin' ny taona 2009 izay niteraka fifandirana. Mpikambana iray ao amin' ny milisy paramilitera Basiji no heverina ho tao ambadik' ilay tifitra nahafaty azy. Ny fialan' ny ainy teo afovoan' ny arabe dia nalain' ny olona nanodidina azy tao amin' ny fihetsiketsehana.

Fasan' i Nada Agha-Soltan

Amin' ny teny persana dia atao hoe ندا آقاسلطان / Nedā Āġā-Sulṭān na Nedā Āqā-Soltān izy. Teraka tamin' ny 23 Janoary 1983 ary maty tamin' ny 20 Jiona 2009 i Neda.

Ilay videô, tamin' ny Jona 2009, navoaka haingana tao amin' ny Internet, dia nalefa tamin' ny tranokalan' ny videô an-tserasera ary noraisin' ny ankamaroan' ny tambajotra sôsialy Internet. Nanomboka tamin' izay dia lasa olo-malaza teo amin' ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondran' i Ali Khamenei sy ny fifidianana indray an' i Mahmoud Ahmadinejad i Neda.