I Azia na Asia dia kôntinenta izay ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny sisiny manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin'ny kontinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 %n' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.

Azia

Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: isan' izany ireo nosy Filipina sy ireo nosin' i Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ireo nosin' i Japàna sy ny nosin' i Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ireo tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva ary ireo nosy Andamàna sy Nikôbara.

Ny faritra ao Azia hanova

Ireo faritra ao Azia araka ny famaritan' ny Firenena Mikambana hanova

Azia Avaratra hanova

 
Fizaràm-paritra any Azia

I Azia Avaratra dia faritra ao Azia izay ahitana an' i Siberia ny faritra Farany Atsinanana rosiana, ary indraindray koa i Môngôlia sy i Mantsoria izay atambatra amin' i Azia Atsinanana amin' ny ankapobeny.

Azia Afovoany hanova

I Azia Afovoany dia faritra afovoan' ny kôntinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny Ranomasina Kaspiana, ny Ranomasin' i Araly ary ny farihy Balkhach. Ny firenena ao Azia Afovoany dia i Kazakstàna, i Ozbekistàna, i Tajikistàna, i Torkmenistàna ary i Kirgizistàna.

Atsinanana Afovoany hanova

I Atsinanana Afovoany dia ny faritra atsimo-andrefan' i Azia. Ireo firenena ao Azia Andrefana dia i Arabia Saodita, i Iràka, i Iemena, i Ômàna, i Iràna, i Siria, i Jôrdania, i Israely, i Palestina ary i Torkia.

Azia Atsimo hanova

I Azia Atsimo dia faritra atsimo ao Azia izay mahafaoka an' i Afganistàna, i Bangladesy, i Botàna, i India, ireo nosy Maldiva, i Nepaly, i Pakistàna ary i Srilanka. Faritra be mponina indrindra eto an-tany i Azia Atsimo, izay onenan' olona miisa 1,9 lavitrisa tamin' ny taona 2019, izany hoe ampahefatry ny mponina maneran-tany.

Azia Atsinanana hanova

I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ireo firenena hita ao Azia Atsinanana: Sina, Kôrea Avaratra, Kôrea Atsimo, Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray tao isan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra rosiana Atsinanana Indrindra koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Farany Atsinanana izy.

Azia Atsimo-Atsinanana hanova

Ny Azia Atsimo-Atsinanana dia ny faritr' i Azia any atsinanan' i India ary any atsimon' i Sina. Ireo firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana dia i Mianmara, i Tailandy, i Malezia, i Indônezia, i Filipina, i Vietnamy, i Laôsy, i Broney ary i Kambôdia.

Faritra hafa hanova

Ireo faritra hafa ao Azia hanova

Faritra ara-tantara ao Azia hanova


 
Azia

Jereo koa hanova

Ireo kôntinenta

Lisitry ny firenena any Azia:

Fanjakana mbola misy olana: