Ny anaran'ny mponina dia anarana iantsoana ny mponina ao amin'ny toerana, ny faritra, ny faritany, ny firenena na ny kontinenta, raha mitaha amin'ny toerana onenany na fiaviany. Ohatra, ny anaran'ny mponina avy any Japàna dia Japoney. Tsy afangaro amin'ny anaram-poko ny anaran'ny mponina, satria ny olona ao amin'ny foko iray dia mety mifindrafindra toerana ary ny olona monia ao amin'ny toerana iray dia mety ho avy amn'ny foko maro.