Zagros (tangoron-tendrombohitra)

I Zagros na Tendrombohitra Zagros (amin' ny teny persana: رشته كوه زاگرس / Reschte-Kuh-e Zāgros; amin' ny teny kiorda: Çîyayên Zagrosê, amin' ny teny lôry: كۆیەل زاگرۥۇس; amin' ny teny tiorka: Zagros Dağları) dia tangoron-tendrombohitra any atsimo-andrefana amin' i Iràna. Tandavan-tendrombohitra mirazotra maro sarahin’ ny lohasaha sy lemaka no mandrafitra ity tandavan-tendrombohitra ity, ary ny tendrombohitra ao aminy dia manana tampona maranitra maromaro mihoatra ny 3 050 m, ka ny sasany aminy dia rakotra oram-panala mandavan-taona. Ny tendro avo indrindra dia i Zard Kuh (4 548 m), any andrefan’ i Ispahan. Maro amin' ny lohasaha no misy tany lonaka, ka ny fambolena sy fiompiana no anisan' ny asa fivelomana lehibe ataon’ ny mponina any.

Ny endrik' i Zagros jerena avy eny amin' ny habakabaka