I Urmia dia farihy marivo sy masira any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna, ao andrefan' ny tanànan' i Tabriz, ao amin’ ny faritr’ i Azerbaijàna Iraniana (eo anelanelan' ny faritanin' i Azerbaijàna Atsinanana sy ny an’ i Azerbaijàna Andrefana). Izy no farihy lehibe indrindra any Iràna, izay ao amin' ny valan-javaboary mitovy anarana aminy. 145 km eo ho eo ny halavany ary 50 km eo ho eo ny salan-tsakany. Misy ampahany ny ao amin' ny lempona fisaka voahodidin-tendrombohitra izy ary mahatratra 1 200 m mahery ny haavo misy azy ambonin' ny haavon' ny ranomasina. Mihamasira sy mihakely ary atahorana hanjavona ity farihy ity.

Ny farihy Urmia tamin' ny taona 1984

Atao amin' ny teny persana hoe دریاچه ارومیه / Daryācheh-ye Oroumieh izy; SY amin' ny teny armeniena hoe Կապուտան լիճ / Kapoutan litch; ary amin' ny teny azery hoe اورمیه ﮔﺆﻟﻮ / Urmu gölü.

Renirano lehibe no mamatsy an’ io farihy io nefa tsy misy ny renirano mivoaka avy ao aminy, ka izany no manome azy ny sata ara-jeôgrafian’ ny velaran-drano endôreika (tsy mivarina an-dranomasina), indraindray ampitovina amin' ny "ranomasina kely anaty tany". Ny renirano Aji Chay (na Talkheh Rud) no sakeli-drano lehiben' ilay farihy, izay mikoriana any avara-atratsinanan' i Azerbaijàna Iraniana ary mitondra ny oram-panala mitsonika avy any amin' ny tangorom-tendrombohitr' i Sabalân sy ny an’ i Sahand, ary ao koa ny renirano kambana Zarineh (Jagatu) sy Simineh (Tatavi), avy any atsimo.

Ny hasiran' ny ranony be loatra, izay tsy mitsaha-mitombo, no azo anazavana ny tsy mampisy hazan-drano hafa afa-tsy karazan-drakaka sy karazam-patsa sasany. Mihena isan-taona ny velarany.