Sistan-o-Baluchestan

(tonga teto avy amin'ny Sistan-Baluchistan)

I Sistan o Baluchistan na Sistan-Baluchistan (persana: سیستان و بلوچستان) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna . Any atsimo-atsinanana amin' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny sisintany amin' i Pakistàna sy amin’ i Afganistàna. Ny renivohiny dia i Zahedan, ary misy mponina 2,1 tapitrisa ny ao aminy. Izy no faritany faharoa lehibe indrindra ao Iràna, izay mirefy 181 600 km2. Amin’ ny prefektiora 26 ao amin' ilay faritany dia ao i Iranchahr, i Chabahar, i Khash, i Zabol, i Zahedan, i Saravan, ary i Nik Shahr.

Sarintanin' i Iràna miaraka amin' ny faritanin' i Sistan o Baluchestan misongadina

Jeôgrafia hanova

Ity faritany ity, izay mifanolo-bodirindrina amin’ i Afganistàna, dia misy faritra roa, dia i Sistan any avaratra sy i Baluchistan any atsimo. I Sistan sy i Baluchistan dia iray amin' ny faritra maina indrindra ao Iràna izay ahitana fisondrotra kelin’ ny rotsak' orana avy any atsinanana mankany andrefana, ary fitomboana ben' ny hamandoana any amin' ny faritra amorontsiraka. Ny sahalempon’ i Sistan dia mandray ny ankamaroan' ny rano entin’ ny ony Helmand, avy any Afganistàna.

Ity faritany ity dia ianjadian’ ny rivotra miankina amin’ ny fizaran-taona izay samihafa zotra, ka ny lehibe indrindra amin' izy ireo dia: ny rivotra maharitra 120 andro ao Sistan fantatra amin'ny anarana hoe Levar, i Qousse, rivotra fahafito (Gav-kosh mpamono ombivavy), i Nambi na ny rivotra atsimo, i Hooshak, ny rivotra mando maro sy manaraka fizaràn-taona avy any amin'ny Ranomasimbe Indiana, ny rivotra avaratra (na Gurich) ary ny rivotra avy any andrefana (Gard).

Any atsimo sy andrefan' i Sistan-Balochistan, ny ankamaroan' ny mponina dia Balotsy ary miteny balotsy. Ny anarana Baluchestân dia midika hoe "tanin' ny Balotsy" amin' ny teny persana. Toy izany koa, ny anarana Sistan dia avy amin' ny teny persiana taloha hoe Sākāstān ary midika hoe "tanin' ny Saces".

Ny mponina ao amin' ny faritanin' i Sistan-Balochistan dia manohy manaraka ny fomba amam-panaony manokana, ary io faritra io dia mety ho lasa iray amin' ny faritra mahavantana ny fizahàn-tany ao Iràna. Ny foko roa manan-danja indrindra ao amin' ilay faritany dia ny Barahoy sy ny Balotsy. Ny fomba fiainan' izy ireo, ny fomba amam-panaony, ny lovantsofiny ary ny lalam-poko dia mamorona fototra ara-kolontsaina tena mahaliana.

Manam-pahaizana maro sy mpandaha-teny ary olo-malaza maro amin' ny literatiora no avy amin' ity faritr' i Iràna ity, anisan' izany i Farrukhi Sistani, i Ya'qub bin Laith as-Saffar ary i Rostam. Taranaka avy amin' ny fianakaviana iray nanorim-ponenana tao Sistan-Baluchistan ihany koa ny ayatollah Ali al-Sistani.