Salman Rushdie
Ankapobeny
Anarana Salman Rushdie
Teraka 19 Jiona 1947
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena India
Asa :
Fiainana manokana

I Salman Rushdie dia mpanoratra tantara britanika manam-piaviana indiana. Teraka tao teraka ny 19 Jiona 1947 tao Mumbai na Bombay i Salman Rushdie, nianatra tao amin' ny Oniversiten' i Cambridge. Anisan’ ny tantara nosoratany voalohany ny Grimus (1974) sy ny Midnight's Children (1981) ary Shame (1983). Ny Children of Midnight dia nahazoany ny loka "Booker Prize" tamin' ny taona 1981 ary nahazoany fahombiazana tsy nampoizina teo amin’ ny besinimaro.

Nanoratra ny tantarany nirenireny tany Nikaragoà ihany koa i Rushdie, The Jaguar Smile (1987). Tamin' ny taona 1988 dia niseho ny The Satanic Verses, tantara iray manambatra ny firenireny an-tsary an-tsaina sy ny fisaintsainana filôzôfika ary ny sombiny mampihomehy. Nahazo fandraisana tsara any amin' ny Tandrefana ilay boky, nefa nampahatezitra ny fianakaviambe mozilmana any amin' ny firenena sasany, izay mahita ao anatin' izany ny famelezanaa feno fanevatevana an' Andriamanitra manohitra ny Kor’any, an’ i Mohamady ary ny finoana silamo.

Taorian'ny fihetsiketsehana, voarara ny boky tany amin'ny firenena maro ary, tamin'ny taona 1989 dia namoaka fatwa (fanamelohana ho faty) ny ayatollah Ruhollah Khomeini ho an’ ny mpanoratra sy izay rehetra nandray anjara tamin' ny famoahana ilay boky. Na dia niala tsiny aza i Salman Rushdie ary nanamafy tamin' ny fomba ôfisialy ny fanekeny ny finoana silamo, dia tsy nesorina ny fatwa raha tsy tamin' ny Septambra 1998, ka nahatonga ilay mpanoratra talohan’ izany fotoana izany hiafina.

Raha ny zava-misy dia tsy azo ivalozana ny didy navoakan' ny imam Khomeini, saingy ny fanambaran' ny governemanta iraniana tamin' ny fomba ôfisialy fa tsy miombona amin' izany dia nanafoana ny sazy. Na izany aza, nanohy ny asany i Rushdie: ny Haroun and the Sea of ​​Stories (1991) dia boky ho an' ny ankizy; ny The Moor's Last Sigh (1995) dia mitantara ny mpandova farany tamin' ny tarana-mpivarotra zava-manitra ao Bombay manam-piaviana pôrtogey sy jiosy.

Manodidina ny enimpolo amin' ny lahatsoratra navoakany tao amin' ny gazety britanika teo anelanelan' ny taona 1980 sy 1990 no voaangona tao anaty fanangonana mitondra ny lohateny hoe Patries imaginaires. Voatendry ho filohan' ny Antenimiera Iraisam-pirenena ho an' ny Mpanoratra i Rushdie, izay nametraka ho tanjona ny fiarovana ny zo hanoratra sy ny fahalalahana maneho hevitra na aiza na aiza atahorana azy eto amin' izao tontolo izao.

Ny fiainany manokana hanova

Ny vadiny dia i Marianne Wiggins, Padma Lakshmi.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.