Antontanisa

hanova

Ireto fiteny manaraka ireto dia ôfisialy (araka ny lalàna na tsia) any amin' ny firenena sy fanjakana telo na mihoatra. Amin' ny toe-javatra sasany, ny fiteny iray dia mety ho heverina ho fiteny samihafa any amin' ny firenena samihafa. Ohatra amin' izany ny fiteny hindy sy ny fiteny ordo, ny fiteny malay sy ny fiteny indôneziana, ny fiteny serbiana sy ny fiteny krôatiana, ny fiteny persiana sy ny fiteny tajiky.

Ny firenena sasany — toa an' i Aostralia sy ny Fanjakana Mitambatra ary i Etazonia — dia tsy manana fiteny ôfisialy ekena eo amin' ny sehatra nasiônaly. Manaiky ny fisian' ny fiteny ôfisialy 37 i Bôlivia, koa izy noho izany no firenena manana manana fiteny ôfisialy betsaka indrindra maneran-tany. Faharoa manaraka an' i Bôlivia i India izay manana fiteny ôfisialy 22. I Afrika Atsimo no laharana fahatelo amin' ny habetsahan'ny fiteny ôfisialy (miisa 12) izay mitovy sata. Omen' i Bôlivia laharam-pahamehana anefa ny fiteny espaniôla, ary i India koa dia manome laharam-pahamehana ny fiteny anglisy sy ny fiteny hindy.

Safidy pôlitika hafa

hanova

Matetika no miteraka fifandirana ny fifantenana ny fiteny ôfisialy (na ny tsy fisian' izany). Safidy iray azo atao, ankoatry ny fananana fiteny ôfisialy tokana, ny fananana fiteny ôfisialy maro. Ao amin' ity safidy ity dia misy amin' ny fiteny ôfisialy rehetra ny sampan-draharaham-panjakana rehetra. Afaka misafidy ny fiteny tiany ny olom-pirenena tsirairay rehefa misahana ny raharahany. Mampiasa fiteny maro ny ankamaroan' ny firenena ary maro ny mampiasa fiteny ôfisialy maro. Ohatra amin' ireo izay mampiasa fiteny ôfisialy maro i Taioàna, i Kanada, i Filipina, i Belzika, i Soisa, ary ny Vondrona Eorôpeana. Tanterin' ny mpandinika fa niteraka adihevitra izany ary, any amin' ny faritra hafa izay nanolorana izany dia nolavina izany vahaolana izany. Nisy nitatitra ihany koa fa ilaina amin' ny fankatoavana ny fisian' ny vondron' olona samihafa na ho tombontsoan' ny firenena amin' ny fisehoany any ivelany.

Jereo koa

hanova