Faritanin' i Lorestan
Ny Faritanin' i Lorestan na Luristan (persiana: استان لرستان / Ostān-e Lorestān) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna ary fizaràn-tany manan-tantara. Any amin' ny tapany andrefan' i Iràna no misy azy, eo afovoan' ny Tangoron-tendrombohitra Zagros sy avaratra-andrefan' ny tanànan' i Isfahan. Ny renivohiny dia i Khorramabad. Ny anarana Lorestan dia midika hoe "tanin' ny Lôry." Ao amin' io tanàna io no misy ny lapa malaza Falak-ol-Aflak. Io faritra io dia nanome ny anarany ho an' ny sivilizasiôna izay nivoatra tamin' ny taonjato faha-8 tal JK, indraindray ampitovina amin' ny an' ny Mediana na Meda.
I Lorestan dia mirefy 28 392 km². Ny tanàna lehibe ao amin' ilay faritany dia: i Khorramabad, i Borujerd, i Aligudarz, i Dorud, i Kuhdasht, i Azna, i Delfan, i Selseleh, ary i Pol-e Dokhtar. Nandritra ny fanisam-bahoaka farany tamin' ny taona 2016, ny isan' ny mponina dia 1 760 649 ary 509 025 ny isan' ny tokantrano.
Jereo koa
hanova- Faritany any Iràna: Alborz - Ardabil – Azerbaijan-e-Gharbi – Azerbaijan-e-Sharghi – Bushehr - Shahar Mahaal-o-Bakhtiari - Esfahan - Fars - Gilan – Golestan - Hamedan – Hormozgan - Ilam - Kerman - Kermanshah – Khorasan-e-Jonubi - Khorasan-e-Razavi - Khorasan-e-Shomali - Khuzestan - Kohkiluyeh-o-Boyer Ahmad - Kurdistan Iraniana – Lorestan - Markazi – Mazandaran - Qazvin – Qom – Semnan - Sistan-o-Baluchestan - Teheran - Yazd - Zanjan