Ny simian-tsolitany na simian-tsolika na petrôsimia (ao anatin' ny simian' ny karbônina na karbôsimia) dia ny fitambaran' ny teknôlôjia mandalina na mampiasa solitany na etona voajanahary (indrindra fa ahitana ny fangaron' akora metanina sy etanina) mba hanamboarana akora simika sintetika (misy na tsy misy eo amin' ny zavaboary). Ireo teknika ireo dia mifototra amin' ny fiota simika izay matetika nambosiana.

Orinasam-petrôsimia ao Gela (Italia)

Lasa miankina be amin' ny akora plastika sy ny zezika sintetika izao tontolo izao, ka noho izany dia miankina amin' ny indostrian' ny petrôsimia izay mamokatra izany, izay tena miankina amin' ny loharanon-karenana fôsily. Araka ny fanadihadiana nataon' ny Agence internationale de l'énergie (IEA) na International Energy Agency (AIE), ny tranga iray antsoina hoe "Teknôlôjia Madio" (2018) no hany mifanaraka amin' ny fanatrarana ny "tanjon' ny fampandrosoana maharitra" an' ny Firenena Mikambana, ary amin' ity tranga ity, ny petrôsimia dia mijanona ho "ampahany mitombo amin' ny tinadin-tsolika maneran-tany" eo amin' ny vanim-potoan' ny "tetezamita momba ny angovo" manomboka amin' ny taona 2018 ka hatramin' ny 2050.

Tamin' ny taona 2017, ny petrôsimia dia mandany solitany 13 tapitrisa barily isan' andro sy etona voajanahary 300 lavitrisa m3, ka mahatonga azy io ho sehatra be karbôna indrindra amin' ny indostria, aorian' ny sehatry ny famokarana angovo (14 % amin' ny fanjifana solika eran-tany ary 8 % amin' ny fanjifana etona tamin' ny taona 2017 io ihany), ka mandray anjara betsaka amin' ny famoahana etona mampihiboka hafanana (fahatelo lehibe indrindra maneran-tany amin' ny etona karbônika indostrialy, raha tsy isaina ny famoahana etona karbôinika tsy mivantana.

Sehatra miitatra tsy an-kijanona izay nandany efa ho 10 % amin' ny angovo farany azo eran-tany izy tamin' ny taona 2017. Izy irery no mandany efa ho ny ampahatelon' ny filana angovo eo amin' ny indostria. Maneran-tany dia izy no mpanjifa faharoa amin' ny solitany (14 %) aorian' ny sehatry ny fitaterana (56 %) ary eo alohan' ny sehatry ny fanamboaran-trano (8 %) sy ny famokarana herinaratra (5 %). Nandany ny 8 % amin' ny etona rehetra voasintona ihany koa izy ary, araka ny filazan' ny AIE, ka mety ho loharanon' ny 50 % amin' ny filana solika fanampiny manomboka amin' ny taona 2018 ka hatramin' ny 2050.