Môngôly (vahoaka)

Ny Môngôly na Môngôliana amin' izao fotoana izao dia vahoaka monina indrindra ao amin' ny tapany atsinanan' i Azia Afovoany sy any Sina ary any Siberia, miteny ny iray amin' ny fiteny altaîka. Efa tamin' ny taonjato faha-11 no nisian' ny fiteny môngôliana na môngôly.

Vehivavy môngôliana

Mizara ho foko maro mpifanandrina, izay indraindray voalamina ho kônfederasiôna ny Môngôly izay namorona firenena tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-13 teo ambany fitarihan' i Genghis Khan. Nandritra ny fitondran' i Genghis Khan dia nanangana tafika ka nanafika an' i Eorôpa any andrefana sy tany Sina any atsinanana izy ireo, ary tamin' ny farany dia namorona ny Empira Môngôly, empira eoraziana midadasika dia midadasika. Ny taranak' i Genghis Khan dia nanjaka tamin' ny faritra midadasika any Sina, any Azia Atsinanana, any Rosia, any Iràna ary any Torkia. Resy ny Môngôly tamin' ny farany.

Miisa 3 tapitrisa eo ho eo izao ny vahoaka môngôly, ka ny ankamaroany dia bodista, ny hafa manaraka ny samanisma. Matetika izy ireo no mbola mpifindrafindra monina, toy ny razambeny.

Jereo koa hanova