Ny liberalisma dia fiheverana momba ny pôlitika sy ny governemanta, manohana ny fiarovana ny zon' ny tsirairay, ny zon' olombelona (fitovian' ny olona rehetra eo anatrehan' ny lalàna, fahalalahana, fiarovana, fizakam-pananana, sns.), araka ny filôzôfian' i John Locke, amin' ny anaran' ny vina mifototra amin' ny isam-batan' olona sy amin' ny fiaraha-misalahy an-tsitrapo eo amin' ny samy olombelona. Atao hoe liberaly ireo olona manohana ny hevitra entin' ny liberalisma.

Ny inoan' ny liberaly hanova

Mino ny liberaly sasany fa tsy hisy ny fahafahana tanteraka raha tsy misy ny fitovian-jo, ary ny fitondram-panjakana dia tokony hampiroborobo ny fitoviana amin' ny alalan' ny fanabeazana sy ny fanomezana fikarakarana ara-pahasalamana tohanan' ny hetra. Ny liberaly hafa dia mihevitra fa ny ratsy ny hetra, ary tokony hanome ny fampianarana sy fikarakarana ara-pahasalamana ny olona; ireo olona ireo dia matetika antsoina hoe libertarianina amin' izao fotoana izao. Ny ankamaroan' ny fitondram-panjakana liberaly ankehitriny dia tena manome fanabeazana sy fikarakarana ara-pahasalamana farafahakeliny, na dia tsy voatery ho an' ny olom-pirenena rehetra aza.

Ny foto-kevitra manan-danja hafa amin' ny liberaly sasany dia:

  • ny tsena malalaka: ny olona dia tokony ho afaka hividy sy hivarotra entana sy asa.
  • ny fandriampahalemana : ny olona dia tsy tokony hanomboka ady na hampiasa herisetra.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.