I Reza Shah Pahlavi, izay azo soratana koa hoe Rizā Shāh Pahlevi na Reza I, na Reza Shah I na Pahlavi I, no emperoran’ i Persia (Iràna) nanomboka tamin' ny taona 1925 ka hatramin' ny 1941 ary mpanorina ny tarana-mpanjaka Pahlavy. Teraka tao Alasht tamin' ny 18 Marsa 718 ary maty tamin' ny 18 Jolay 1944 tany Johannesburg. Tamin' ny fotoana samy hafa dia fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Reza Pahlavan, Reza Savad-Koohi, Reza Khan, Reza Khan Mir-Panj, Reza (Khan) Sedar Sepah, ary Reza (Khan) Pahlavi izy, izay miaramila tamin’ ny voalohany, lehiben' ny tafika, minisitry ny Ady, avy eo praiminisitra, talohan' ny naha emperora azy teo anelanelan' ny taona 1925 sy 1941. Atao hoe رضاشاه پهلوی, [reˈzɑː ˈʃɑːhe pæhlæˈviː] izy amin' ny teny persana.

Reza Shah

Manamboninahitra kôzaka avy amin' ny andia-miaramila izy, nandany ny fahazazany tao anatin' ny fahantrana, teratanin' i Alasht, tanàna kely be tendrombohitra, ao Mazandaran. Kamboty ray tamin' ny fahavalo volany ary kamboty reny tamin' ny hafafito taonany izy, dia noraisin' ny dadatoany iray talohan' ny nidirany tao amin' ny Brigady kôzaka persana. Ny maha avo ranjanana azy sy ny tanjaky ny toetrany dia nahafahany niakatra amin' ny laharan' ny ambaratonga-miaramila. Nitarika ny fanonganam-panjakana tamin' ny taona 1921 izy ary lasa kômandin' ny tafika sy lehiben' ny governemantan' ny Empira Persiana teo ambany fanapahan' i Ahmed Shah, mpitondra kajara (Qajar) farany. Ny Antenimiera Mpanorina, rehefa nifidy ny hanesorana ny mpanjaka izay mbola tanora tamin' ny 31 Ôktôbra 1925, dia nofidian' ny Antenimiera (Majles) avy hatrany i Reza Khan tamin' ny 12 Desambra 1925, ary voahosotra ho emperora (Shāhanshāh) izy tamin' ny 25 Avrily 1926. Tsy toy ny Kajara ny tarana-mpanjaka vaovao, fa tsy miteny torkika fa miteny iranika (fiteny persana); manana toetra tsy voamariky ny maha olom-poko azy koa izy.

Ny fitondrany, tena laîka sy mandala fiandrianam-pirenena, dia voamariky ny fanavaozana goavana tao amin' ny fireneny, izay tao anatin' ny tsy fandrosoana lalina talohan' ny nahatongavan' i Reza Shah teo amin’ ny fitondrana. Na izany aza, dia fanjakana nanana fiseho roa no nisy: amin' ny lafiny voalohany, nanao dingana lehibe tamin’ ny fanavaozana ny fiarahamonina amin' ny fanomezana izany fiarahamonina izany serivisy môderina, fotodrafitrasa tandrify sy tsara, fehezan-dalàna ary fiarahamonina naka tahaka ny an’ ny Eorôpeana, mandala ny fitovian' ny lahy sy ny vavy, ny fikarohana ny fampiroboroboana ny kolontsaina iraniana taloha; amin' ny lafiny faharoa, nametraka ireo fiovana rehetra ireo tamin' ny fomba hentitra izy ary indraindray tamin’ ny fitondrana jadona, ny toe-tsainy indrindra manoloana ny mpitondra fivavahana (siisman’ ny Roambinifolo) sy ny fomba eo an-toerana izay nahatonga azy ho tezitra amin' ny mponina. Ohatra, i Reza Shah dia nanao izay hanafoanana ny feôdalisma (fitondrana tompomenakely) sy ny ampahany betsaka amin' ny fanindrahindrana ny maha iraniana, izay nanakorontana sy nampisara-bazana ny fiarahamonina sy ny tantsaha, ary namela fahatsiarovana ratsy teo amin' ny Iraniana. Izy koa no nanova ny anarana hoe "Persia" ho "Iràna" tamin' ny taona 1935.

Tamin' ny taona 1941, i Iràna, izay nahiahina ho mpanohana ny Alemàna nadritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia notafihin' ny miaramilan' ny firenena mpiara-dia (Alliés), izay nibodo an' i Iràna nandritra ny efa-taona ary nanaisotra ny emperora izay efa antitra. Ny zanany lahy Mohammad Reza no nandimby azy, raha nataon’ ny Britanika sesitany tany amin’ ny nosy Maorisy izy, avy eo tany Johannesburg ao Afrika Atsimo iszay nahafatesany. Ny zanany nandimby azy dia naongan' ny Revôlisiôna Iraniana tamin' ny taona 1979. Ny zafikeliny dia isan' ny mpitarika ny mpanohitra ny Repoblika Islamika amin' izao fotoana izao.

Mbola mampiady hevitra ny zava-bitan' i Reza Shah ary sarotra ny hanombanana izany satria, tsy tahaka an' i Mustapha Kemal (izay nataony môdely), ny mpandimby azy dia naongana tamin' ny revôlisiôna izay niafara amin' ny fananganana fitondrana teôkratika nifanohitra tanteraka amin' ny endrika lehibe tamin' ny fitondrany. I Iràna ankehitriny, izay azo lazaina fa voaramaso ny fampahalalam-baovao ao aminy, dia mamela sary tena ratsy momba azy.

Jereo koa hanova