I Katara dia firenena ao Atsinanana Akaiky any Azia, izay manana morontsiraka ao amin’ ny Hoala Persika. Ny renivohiny dia i Doha. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 11 571 km2 ny velarantaniny ary miisa 1 903 447 ny mponina araka ny fanisana natao tamin' ny 2013. Ny faritr' ora dia +3.

Sainan' i Katara
Saritanin' i Katara

Saikanosy lemaka, saika tany efitra maina, ny tanin’ i Katara. Fasika midadasika no hita ao atsimo, fa ny ao avaratra kosa dia takotra zavamaniry.

Ny mponina ao Katara, izay atao hoe Katary, dia saika Bedoina Arabo, izay mahatratra 20°n’  ny mponina. Ny 80°n’ ny mponina dia mpitady ravinahitra avy any ivelan’ ilay firenena. Manaraka ny fivavahana silamo ny ankabetsahan’ ny mponina.

Ny fitrandrahana solitany no seha-pamokarana voalohany mampidi-bola any Katara. Ny mpitondra ny firenen’ i Katara dia emira, ka atao hoe emirata ity firenana ity. Nahazo ny fahaleovan-tenany ilay firenena tamin’ ny 1971.       

Jereo koaHanova

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.