Broney
I Broney na Soltanan' i Broney Darosalama (amin' ny fiteny maley: Kesultanan Brunei) dia firenena ao amin' ny tapany avaratry ny nosy Bôrneô, ao Azia Atsimo-Atsinanana. Itambarany amin' i Malaizia sy i Indônezia io nosy io. Hodidinin' ny tapany atsimon' ny Ranomasin' i Sina izy sady voafefin' ny fanjakan' i Sarawak any Malezia. Ny soltana Hassanal Bolkiah no nitondra azy nanomboka tamin' ny taona 1968. Protektôrata britanika taloha izy. Isan' ny mpikambana dimy manana ny fiandrianany manokana ao amin' ny Commowealth izy. Ny renivohiny dia i Bandar Seri Begawan, izay tanàna lehibe indrindra ao. Mirefy 5 765 km2 ny velarantaniny ary miisa 108 786 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2011. Ny faritr'ora dia +8.
Jereo koaHanova
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany