I Zard-Kuh (midika hoe "Tendrombohitra Mavo", atao koa hoe Zardkuh, Zarduh Kuh na Zard Kuh-e Bakhtiari; persana: زردکوه بختیاری) dia tendrombohitra ao amin' ny faritr' i Zagros Afovoany, any Iràna. Ny tampony lehibe indrindra, Kolunchin, dia mahatratra 4 221 m, izay mahatonga azy io ho tangorom-bohitra faharoa avo indrindra amin' ireo Tendrombohitra Zagros (aorian' ny tangorom-bohitra Dena) ary rakotra oram-panala mandrakizay, izay ao amin' ireo Tendrombohitra Zagros ao amin' ny prefektioran' i Kuhrang ao amin' ny faritanin' i Chaharmahal-Bakhtiari ao Iràna. Manomboka any amin' ny Tendrombohitra Zagros akaikin' i Zard-Kuh ny renirano Karun sy Zayanderud. Ny reniranon Bazoft, sakeli-dranon' ny ony Karun, dia avy amin' ny Tendrombohitra Zagros, akaikin' i Zard Kuh. Misy tobin-dranomandry kely eny amin’ io tendrombohitra io noho ny rotsak' orana somary betsaka.

I Kolunchin, iray amin' ny tampon' i Zard-Kuh