Tajikistàna
I Tajikistàna na Repoblikan' i Tjikistàna dia firenena be tendrombohitra ao Azia Afovoany, izay tsy mifandray amin' ny ranomasina. I Dushanbe no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra-atsinanana i Kirgizistàna, ao atsinanana i Sina, ao atsimo-andrefana i Afganistàna, ary ao andrefana i Ozbekistàna. Atao hoe Тоҷикистон / Tojikiston na Ҷумҳурии Тоҷикистон / Jumhurii Tojikiston izy amin' ny fiteny tajika. Izy irery no firenena avy amin' ny Firaisana Sôvietika ao Azia Afovoany izay tsy anjakan' ny fiteny torka fa fiteny iraniana, dia ny fiteny tajiky. Ny Tajiky, izay foko maro anisa indrindra indrindra (80 %n' ny mponina manontolo), dia anisan' ireo atao hoe vahoaka iraniana.
Jereo koaHanova
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany