Ny kijana na tanim-bilona dia toerana anjakan' ny sahalava voajanahary izay iraohan' ny biby mpihinana ahitra na biby tsy mifidy zavatra hohanina ny anana sy ny zavamaniry hafa eo aminy. Ny kijana, amin' ny heviny tery, dia velaran-tanim-pambolena voahidy, ampiraohana ny biby fiompy, toy ny soavaly, ny omby, ny ondry, ny kisoa na biby hafa. Ny zava-maniry amin' ny kijana voakarakara hohanin' ny biby dia ahitana indrindra ny ahitra, miaraka amin' ny anana sy zavamaniry tsy voasokajy ho ahitra. Matetika ny kijana dia iraohan' ny biby ahitra mandritra ny fahavaratra. Ny kijana amin' ny heviny malalaka kokoa dia ahitana faritra misy ahitra midadasika, ampiasan' ny mpiandry andiam-biby, ary karazan-tany ampiasain' ny bibidia hiraofana ahitra na hivezivezeny.

Omby any amin' ny kijana any Pôlônia

Ny karazana tany, ny maripana ambany indrindra isan-taona ary ny rotsak' orana dia zava-dehibe amin' ny fitantanana ny kijana.

Jereo koa hanova