Ny zavamananaina, amin' ny biôlôjia sy ny ekôlôjia, dia zavatra voajanahary izay miaina sy mizatra ny zava-misy, be pitsiny sy misy lamina anatiny ary vokatry ny fiovana nifandimby nandritra ny fivoarana miandalana (evôlisiôna). Miaina sy mitombo, mihetsika, miteraka, ary mampiasa angovo ny zavamanaina. Sela velona iray na maromaro no mamorona azy (misy noho izany ny zavamananaina tokan-tsela na maro sela). Ny zavamananaina saro-drafitra, maro sela, dia voaforon' ny sela samihafa samy manana ny anjara asany. Manana ny asany manokana ireo sela ireo ary miara-miasa mba hisian' ny fiarahana marin-toerana.

Selan-javamaniry

Ny ao anatin' ny zavamananana dia misy fiota simika isankarazany mahaleo tena sady voatazona amin' ny alalan' ny famatsiana otrikanina (indraindray koa amin' ny alalan' ny angovon-kazavana), manome azy ny akora sy ny angovo ilainy, miantoka ny fanesorana ny akora sisa tsy ilaina.

Rafitry ny vatan' olombelona

Ny zavamananaina maro sela dia matetika fitambarana taova, ny taova dia fitambarana tambatsela, ny tambatsela dia fitambarana sela, ny sela dia fitambarana ôrganela, ny ôrganela dia fitambarana môlekiola, ary ny môlekiola dia fitambarana atôma. Ankoatra izany dia mamorona soperôrganisma ny zavamanaina sasany (ohatra ny vitsika, ny vitsikazo na aboaly, ny tantely).

Misy sokajy (atao hoe "sehatra") maro ny zavamananaina:

Manalasala ny momba ny Virus izay tsy misy sela, ka indraindray sokajina ho zavamananaina ary indraindray koa sokajina ho tsy zavamananaina.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova