Ny ondry dia biby fiompy misy nono sady mihinana ahitra ary mandinika izay mifanakaiky karazana amin' ny osy, sady ao amin' ny fianakaviamben' ny karazana omby. Ny ondry dia anisan' ireo biby nompian' ny olona voalohany ary ny iompiana azy indrindra dia ny rononony, ny henany, ny hodiny, sy ny volony. Ny volon' ondry no tsiraka ampiasaina indrindra avy amin' ny biby. Maro karazana ny ondry, ka odry fiompy ny karazany iray ary indridia ny enina amin' ireo izay mbola misy amin' izao. Nanomboka niompy ondry ny olombelona tamin' ny faramparan' ny taonarivo faha-6 tal. J.K. ka ondridia avy any Afovoany Atsinanana (avy any atsimo-atsinanan' i Anatôlia na Zargos) no nompiana voalohany.

Andian' ondry

Ompiana eran' izao tontolo izao ny ondry sady mitana anjara toerana lehibe tamin' ny sivilizasiôna maro. Amin' izao fotoana izao dia i Aostralia, i Zelady Vaovao, i Sina, i Nizerià, i Patagônia ary ny Fanjakana Mitambatra no faritra mpiompy ondry betsaka indrindra eran-tany. Amin' ny fivavahana maro dia atao sorona ny ondry, indrindra ao amin' ny finoana silamo isaky ny fetin' ny Eid al-Adha (na Eid al Kebir).

Kolontsaina

hanova

Ohabolana

hanova
  • Akaro, aidino: toy ny andry ondrin' ilay sarotra.
  • Aleo mahia ondry andrasana, toy izay mahia olom-pehezina.
  • Amboa homan' ondry, ka ny aina no manefa.
  • Anantsinahy sy hen' ondry mahia: tafaray samy kafiry.
  • Andevolahy nifahana ondry: tafahaona samy main-dranjo.
  • Andriandahin' i Malaza: miantsena, lanjaina; nony mody, milanja ondry
  • Andry ondrin' Ikotokely, ka ny maty no ananam-be.
  • Angolain' ny fitia rafozana, ka ondry velona no hosoram-panasina.
  • Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy fantatra izay hanao kambana.
  • Aza dia miolika hoatry ny tsinain' ondry; fa aoka mba ho tsotra hoatry ny tsinaim-balala.
  • Aza manao halatra ondrin' Imahakà: raha misy mahita, hizahako ny havesany, nony tsy misy mahita dia lasany tokoa.
  • Dedaka maty ondry, nefa tsy manome rafozana.
  • Hafahafa ohatra ny adin' ondrilahy: akorain-tsy mifampilanja, avela ihany mifamaky loha.
  • Hividy ondry hanahirana, nefa ny akoho mody ho azy.
  • Izay tsy ampy ketsa, mivezivezy, izay very ondry manara-morona.
  • Rafotsibe leon-kofak' ondry: tsy te-hijery zava-misavily.
  • Mivadika imaso, toy ny tandrok' ondry
  • Ny hofak' ondry no soa misavily, fa ny teny tsy mba soa misavily.
  • Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaka ny ondry; fa avy manaraka, tahaka ny alika.
  • Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
  • Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany
  • Ondry mahia maty anaka: misikin-kamoy hanatavy tena.
  • Rafotsibe leom-boanjo: ny tain' ondry avy no andosirana.
  • Rafotsibe maty ondry kely, ka misento homana ny atiny.
  • Zarazarao ny raharaha: ny tapa-tanana miandry ondry, ny tapa-tongotra mitoto vary.
  • Zaza nomen-tanan' ondry ka na soloana hofany aza tsy mety.

Jereo koa

hanova