Ny volonondry dia endrika manokan' ny volon’ ny biby misy nono sasany, izay afaka miaro ny biby amin' ny andro ratsy. Ny karazam-biby sasany, indrindra ny ondry sy ny osy ary ny lamà (alpaga), dia nofantenana mba hanome volonondry tsy tapaka sy moramora kokoa, volonondry izay akora vita amin' ny tsiraka keratinina, ampiasaina amin' ny famokarana lamba, indrindra amin' ny fahafahany manefitra hafanana na hatsiaka.

Volonondry
Ondry bevolo

Ny hoe "volonondry" dia manondro ny volon' ny ondry sy ny volon' ny biby hafa toy ny lamà, ny alpaga, ny goanakô, ny rameva fiompy, ny iàka, ny karazana alika spitz, ny osy angôra, ny bitro angôra, ny osy kasemira, ny omby manitra, ny vikônia, ary ny antilôpa tibetana, izay ahafaka manefitra hafanana na hatsiaka

Osy angôra

Ny volonondry dia ampiasaina amin' ny sehatra rehetra momba ny fanamboarana lamba: lambam-pandriana, akanjo sy atin' akanjo, satroka, kiraro, fananganan-drano mifanentana amin’ ny tontolo iainana, fanaka, haingon-trano ary kojakoja samihafa.

Ny fanatsarana ny habetsahana sy ny kalitaon' ny volonondry vokarina dia lohahevitra manan-danja amin' ny zooteknika momba ny ondry, saingy mihena hatrany izany noho ny fihenan' ny vidin' ny volonondry tafahoatra vokatry ny fifaninanana amin' ny tsiraka voatr’ olombelona eny amin' ny tsena.