Hordeum

(tonga teto avy amin'ny Ôrza)

Ny Hordeum dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae (ahitra), zana-pianakavian’ ny Pooideae, avy any amin’ ny faritra manana toetany antonony eran' izao tontolo izao. Atao hoe ôrza ny anaran' izy ireo amin' ny fiteny andavanandro. Ireo zavamaniry ireo, izay iray foko (Triticeae) amin' ny varimbazaha (Triticum), dia ahitana karazany telopolo eo ho eo, anisan' izany ny vary ôrza mahazatra (Hordeum vulgare), izay ambolena be dia be hatao sakafon' ny biby sy ny olombelona ary ny famokarana labiera. Izy ireo dia maniry isan-taona na mandavan-taona, izay misy tahony mety hahatratra 1,3 m.

Ôrza
Ôrza manga

Ny karazana sasany dia manan-danja eo amin’ ny toekarena, amin’ ny maha voamadinika azy, na amin’ ny maha fihinan' ny biby fiompy azy, na koa amin’ ny maha ahi-dratsy azy, manimba noho ny fifaninanana ataony amin' ny zavamaniry ambolena, ary koa amin' ny maha mpitahiry ny virosy na holatra mamparary ny zavamaniry azy. Ny karazana tsy volena, ao amin' ny sokajy Hordeum koa dia loharanon' ny fototarazo mahaliana ho an' ny fanatsarana ny karazana famboly (fototarazo mahatohitra aretina na mahazaka haintany, ohatra).

Mivelatra be ny faritra itsinjaran’ ny Hordeum, satria mandrakotra ny ankamaroan' ny faritra manana toetany antonony ao amin' ny ila-bolantany avaratra sy ny ila-bolantany atsimo ny misy azy. Tonga any amin' ny faritra ambanin’ ny zana-pehintany any Amerika Atsimo sy any amin' ny faritra manana toetrandro arktika any Amerika Avaratra sy any Azia mihitsy aza izy io. Ny karazany dia hita manomboka amin' ny haabon' ny ranomasina ka hatramin' ny haavo mihoatra ny 4 500 m any Andes sy any Himalaya.

Heverina fa misy efatra ny "foibem-pahasamihafana" amin' ny karazana Hordeum, izany hoe faritra ahitana karazany betsaka indrindra: any Azia Atsimo-Andrefana, izay ahitana ny "Tsinambolana Lonaka" izay ambolena ny "vary ôrza mahazatra", any Azia Afovoany, any amin’ ny tapany andrefana amin’  i Amerika Avaratra sy any amin’ ny tapany atsimo amin' i Amerika Atsimo, izay ahitana karazany teratany miisa 17.

Mifanohitra tanteraka ny fitsinjaràn' ireo karazana ireo: ny ankamaroan' ny karazana dia manana fari-pitsinjarana voafetra, ny vitsivitsy, toa ny Hordeum brevisubulatum, ny Hordeum bulbosum ary ny Hordeum brachyantherum, dia manana fari-ptsinjrana midadasika. Ny karazana sasany, toy ny Hordeum erectifolium (Arzantina afovoany), ny Hordeum guatemalense (avaratra amin' i Goatemala), ary ny Hordeum arizonicum (atsimo amin' i Etazonia sy avaratra amin' i Meksika), dia fantatra amin' ny toerana vitsivitsy, na iray onja aza. Ny vitsivitsy, toy ny Hordeum murinum, ny Hordeum marinum ary ny Hordeum jubatum, no niely toy ny ahi-dratsy any amin' ny faritra maro manerana izao tontolo izao.

Lisitry ny karazana

hanova

Inty ny lisitry ny karazana ao amin' ny vondrona Hordeum araka ny The Plant List (4 janvier 2018):

  • Hordeum aegiceras Nees ex Royle
  • Hordeum arizonicum Covas
  • Hordeum blomii Thell.
  • Hordeum bogdanii Wilensky
  • Hordeum brachyantherum Nevski
  • Hordeum brachyatherum Phil.
  • Hordeum brevisubulatum (Trin.) Link
  • Hordeum bulbosum L.
  • Hordeum californicum Covas & Stebbins
  • Hordeum capense Thunb.
  • Hordeum chilense Roem. & Schult.
  • Hordeum comosum J.Presl
  • Hordeum cordobense Bothmer, N.Jacobsen & Nicora
  • Hordeum depressum (Scribn. & J.G.Sm.) Rydb.
  • Hordeum distichon L.
  • Hordeum erectifolium Bothmer, N.Jacobsen & R.B.Jørg.
  • Hordeum euclaston Steud.
  • Hordeum flexuosum Steud.
  • Hordeum fuegianum Bothmer, N.Jacobsen & R.B.Jørg.
  • Hordeum guatemalense Bothmer, N.Jacobsen & R.B.Jørg.
  • Hordeum halophilum Griseb.
  • Hordeum intermedium (Körn.) Carleton
  • Hordeum jubatum L.
  • Hordeum lagunculciforme (Bachteev) Nikif.
  • Hordeum lagunculiforme Bacht.
  • Hordeum lechleri (Steud.) Schenck
  • Hordeum marinum Huds.
  • Hordeum montanense Scribn. ex Beal
  • Hordeum murinum L.
  • Hordeum muticum J.Presl
  • Hordeum nutans Alef.
  • Hordeum parodii Covas
  • Hordeum patagonicum (Hauman) Covas
  • Hordeum pavisii Préaub.
  • Hordeum procerum Nevski
  • Hordeum pubiflorum Hook.f.
  • Hordeum pusillum Nutt.
  • Hordeum roshevitzii Bowden
  • Hordeum secalinum Schreb.
  • Hordeum spontaneum K.Koch
  • Hordeum stenostachys Godr.
  • Hordeum tetraploidum Covas
  • Hordeum vulgare L. (vary ôrza)

Jereo koa

hanova