Fantsomben-tsolitany

Ny fantsomben-tsolitany na fantson-tsolika dia fantsona natao ho an' ny fitaterana solitany tsy mbola voadio na efa voadio.

Ny fantson-tsolika mamakivaky an' i Alaska mampitohy an' i nt Prudhoe Bay (Alaska, Etazonia) amin' i Valdez (Alaska, Etazonia), mihoatra ny 1 300 km.

Tena manan-danja eo amin' ny jeôpôlitikan' ny solitany ny fantson-tsolika satria akora fototra manan-danja amin' izao fotoana izao eo amin' ny toekarena ankehitriny ny solitany.

Miantoka ny fanaraha-maso ny fantsomben-tsolitany ny miaramilan' ny firenena mpamokatra, ny an' ny firenena andalovany ary ny an' ny firenena mpanafatra solika amin' ny faritra tsy milamina, raha tsy izany dia ny tompony na ny mpandraharaha (ny orinasan-tsolitany amin' ny ankapobeny) no tompon' andraikitra amin' izany fanaraha-maso izany (na ana habakabaka na an-tanety).

Adihevitra eo amin' ny firenena isam-paritra sy eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena ny lalana tokony handalovan' ny fantson-tsolika vaovao.

Jereo koa hanova